Isbôseta

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Isbaala)
Notapahin'i Rekaba sy Baana ny lohan'i Isboseta.

I Isbôseta izay atao hoe Isbaala dia zanak' i Saoly nasandratra ho mpanjakan' i Israely tamin' ny taona 1007 tal. J.K. nandimby an-drainy nefa tsy nanjaka afa-tsy tamin' ny foko 11 izy satria i Davida koa dia nasandratra ho mpanjakan' ny fokon' i Jodà tamin' io fotoana io ihany. Maty nisy namono izy tamin' ny taona 1005 tal. J.K. Roa taona no naharetan' ny fanjakany. Ao amin' ny Boky faharoan' i Samoela ao amin' ny Baiboly no ahitana ny tantarany.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Baiboly hebreo dia izao avy ny anarana azo iantsoana an' i Isbôseta, iray amin' ny zanaka lahy efatr' i Saoly:

  • אִֽישְׁבֹּשֶׁת‬ / Ishboshet na Eshboshet izay midika hoe "lehilahin' ny fahafaham-baraka".
  • אֶשְׁבַּעַל‬ / Eshbaal na Ashbaal izay midika hoe "misy i Baala" na "lehilahin' i Baala" na "lehilahin' nyTompo".

Ny hoe Baala dia anaran' ny andriamanitry ny Semita sy ny Kanaanita ary ny Fenisiana (na Foinikiana).

Ny tantarany[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny Boky faharoan' i Samoela no ahitana ny tantaran' i Isbaala (2Sam. 2.8–4.12). Zanak' i Saoly tamin' i Akinôama zanakavavin' i Ahimaaza izy sady teraka tamin' ny taona 1047 tal J.K.

Taorian' ny nahafatesan' i Saoly sy ireo zany lahy telo, dia i Jônatana sy i Abinadaba ary i Malkisôa, tamin' ny ady teo amin' ny Tendrombohitra Gilbôa, dia i Isbôseta, izay efapolo taona tamin' izay, no sisa velona ka nasandratr' i Abnera mpitari-tafik' i Saoly, ho mpanjaka tao Mahanaima. I Davida zanak' i Jese anefa efa nambara ho mpanjakan' ny fokon' i Jodà (2Sam. 2.4). Tsy nanjaka afa-tsy roa taona (2Sam. 2.11) i Isboseta sady tsy nanapaka afa-tsy ny foko 11n'i Israely ihany. Ireto ireo foko ireo: ny fokon' i Robena, ny fokon' i Simeôna, ny fokon' i Isakara, ny fokon' i Zabolôna, ny fokon' i Dana, ny fokon' i Naftaly, ny fokon' i Gada, ny fokon' i Asera, ny fokon' i Manase ary ny fokon' i Efraima.

I Davida sy i Isbôseta dia niady matretika ka ny tafik' i Davida no naharesy (2Sam. 3.1), nefa niova hevitra i Abnera ka nikambana tamin' i Davida taorian'ny adin' i Abnera tamin' i Isbôseta (2Sam. 3.8-12). Navelan' i Isbôseta ho vadin' i Davida ihany ilay anabaviny (i Mikala) izay tokony homen' i Saoly ho vadin' i Davida talohan' ny fifanolanany (2Sam. 3.14-15).

Notapahan' ny manamboninahitra roa tao aminy (i Rekaba sy Baana) ny lohan' i Isbôseta natory antoandro (2Sam. 4.5) ho valifatin' i Davida amin' ny tranon' i Saoly. Nefa nohelohin' i Davida ho faty izy ireo noho izany vonoan' olona izany. Nalevina tao amin' ny fasan' i Abnera tao Hebrôna i Isbôseta (2Sam. 4.12).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).

Mpanjakan' i Jodà

Mpanjakan' i Jodà

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Rehôbôama (na Rôbôama) - Abiama (na Abia) - Asa - Jôsafata - Jehôrama (na Jôrama) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Atalia - Jôasy (na Jôasa) - Amazia (na Amaziasa) - Ozia (na Oziasa na Azaria na Azariasa) - Jôtama - Ahaza (na Akaza) - Hezekia (na Ezekiasa) - Manase - Amôna - Jôsia (na Jôsiasa) - Jôahaza (na Jôakaza) -Jôiakima (na Jôakima) - Jôiakina (na Jôasina na Jekônia na Jekôniasa) - Zedekia (na Sedekiasa).

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]