Isaka avy any Ninive
Apparence
I Isaka avy any Ninive, izay atao hoe Aba Isaka na Isaka Siriana, dia mpitoka-monina, mpanoratra, eveka, mistika ary teolojiana tao amin'ny Fiangonan'ny Atsinanana. Isan'ireo olona miaina ara-panahy ngezalahy tany Atsinanana izay ahafantarana sy andraisana ny fampianarany azy indrindra izy. Teraka tany Katara (siriaka: Beth Qatrayé) tamin'ny taona 640 izy ary maty tao amin'ny monasteran'i Rabba Sabor tao Khuezstan tamin'ny taona 700. Isan'ireo Kristiana atao hoe Rain'ny Fiangonana izy.
Atao hoe ܡܪܝ ܐܝܣܚܩ ܕܢܝܢܘܐ / izy amin'ny teny siriaka, إسحاق النينوي Ishaq an-Naynuwī amin'ny teny arabo, ary Ἰσαὰκ Σύρος / Issak Suros amin'ny teny grika.