Hankany amin'ny vontoatiny

Isahafa

Avy amin'i Wikipedia

Isahafa dia tanàna ambanivohitra ao amin'ny kaominina Anosy Avaratra, ao amin'ny distrikan' Antananarivo Avaradrano, Faritanin'Antananarivo, faritra Analamanga[1] Madagasikara.16 km miala an-drenivohitra ny misy an'i Isahafa.

Tantara

Manana tantara manankarena i Isahafa, indrindra tamin'ny andron'ny fanjanahantany. Na dia tsy voarakitra an-tserasera aza ny tantarany, dia voatahiry amin'ny boky sy fijoroana vavolombelona am-bava. Nitàna anjara toerana niavaka nandritra io vanim-potoana io i Isahafa. Ny hetsika nisongadina indrindra dia ny matso miaramila voalohany indrindra natao teo amin'ny kianja Isahafa.[2]

Fotodrafitrasa

Anisan'ny mampiavaka an'i Isahafa ny fananana kianja iray lehibe[3] fandraisana ireo mpia­dina amin’ny taranja adina ara-panatanjahantena amin’ny fanadinam-panjakana BEPC, BACC. Ahitana FJKM (Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara) ihany koa ao Isahafa

Ahitana sekolim-panjakana ambaratonga voalohany na (EPP)[4] ao Isahafa izay mpianatra maro eo an-tanàna sy ny manodidina no mandrato fianarana ao.

Raha hihazo an’Isahafa, ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra, avy any Antananarivo, dia ny fiara fitateram-bahoaka H mankany Lazaina[5] no raisina. Rehefa tonga eo Lazaina, dia mandray bajaj mihazo an’Isahafa sy ny manodidina (Iavoambony, Anosiarivo)

  1. ↑ https://newsmada.com/2025/05/02/bepc-eps-vonona-handray-ny-kianja-eny-isahafa/
  2. ↑ https://gasymiarina.wordpress.com/tag/isahafa/
  3. ↑ https://newsmada.com/2025/05/02/bepc-eps-vonona-handray-ny-kianja-eny-isahafa/
  4. ↑ "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2025-10-18. Retrieved 2025-06-06.
  5. ↑ https://mapcarta.com/fr/14471946