Hankany amin'ny vontoatiny

Irôkoà (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny kôfederasiôna irôkoà

Ny Irôkoà na Irôkôy, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe Firenena Dimy na Kantao Dimy avy eo Firenena Enina, dia ahitana fivondronana vahoaka amerindiana any Amerika Avaratra izay mampiasa fiteny anisan' ny fianakaviam-piteny irôkôiana, izay misy fandaminana mitovy amin' ny kôfederasiôna. Anisan' izy ireo tokoa ny firenena dimy, avy eo enina, dia ny Môhaoka, ny Ôneiota, ny Ônôndaga, ny Seneka, ny Kaioga ary, taorian' ny taona 1722, ny Toskarôra, izay nonina tany avaratra amin' ny Fanjakan' i New York, any Etazonia, ary koa ny atsimon' ny farihy Ontario sy ny ony Saint Lawrence, any Kanada.

Miisa eo amin' ny 125 000 ny Irôkoà ankehitriny ary monina amin' ny fizaràn-tany sy toeram-pitahirizana ao amin' ny faritanin' i Ontario (Kanada) sy ao amin' ny fanjakan' i New York ny ankamaroany. Ny hafa kosa mipetraka any Wisconsin sy any atsimo-andrefana amin' i Québec ary any Oklahoma.

Misy Irôkôà vitsy anisa amin' izao fotoana izao izay miteny ny iray amin' ny fiteny irôkôiana, anisan' izany ny mpiteny môhaoka eo amin' ny 1 500 ao an-tanànan' i Kahnawake, ao atsimon' i Montréal. Ao amin' ny fizaran-tanin' ny Firenena Enina, any amin' ny faritanin' i Ontario dia laharam-pahamehana ao anatin' ny vondrom-piarahamonina nentim-paharazana ny fianarana fiteny. Fianakaviana maro no mbola manana mpikambana mahay fiteny maro. Toa ny fiteny ônôndaga sy ny fiteny môhaoka no fiteny be mpampiasa indrindra.