Hankany amin'ny vontoatiny

Ipomoea purpurea

Avy amin'i Wikipedia
Ipomoea purpurea

Ny Ipomoea purpurea dia karazana zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Convolvulaceae, teratany any Meksika. Ambolena be dia be an-jaridaina isantaona noho ny voniny mivelatra sy toy ny lantonoara izy any amin' ny faritra manana toetany antonony. Maniry eto Madagasikara ity zavamaniry ity ary atao amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe bahia, kisarisarimbomanga, sarisarimbomanga, sarisarivomanga, tsingovihovy, vahintsidity, vahitsidy, vomanganalika, vomangangoaika ary vomangoaika.

Ipomoea purpurea

Mety ho lasa zavamaniry manafika izy io indraindray. Mihodinkodina manodidina ny tohana ity zavamaniry ity, ary mitombo hatramin' ny haavo 2 hatramin' ny 3 m. Miendrika fo ny raviny ary rakotra volo ny tahony. Miendrika trompetra ny voniny izay manga hatramin' ny volomparasy na fotsy sady manana savaivo 3 hatramin' ny 6 sm.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]