Ipomoea indica

Ny Ipomoea indica dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Convolvulaceae. Manana raviny miendrika fo na mizara telo sy voniny volomparasy na manga miendrika lantonoara anana savaivo 6 hatramin' ny 8 sm. Mamony izy amin' ny lohataona ka hatramin' ny fararano. Ny voniny dia sady lahy no vavy. Fantatra amn' ny anarana hoe Ipomoea learii koa izy ary atao hoe poranakosy amin' ny teny malagasy.

Avy any Amerika (avy any amin' ny faritra atsimon' i Etazonia ka hatrany amin'ny faritra avaratr' i Silia) ity zavamaniry ity. Karazana ambolena betsaka hatao haingon-trano izy io noho fananany vony maro loko. Niely manerana ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly rehetra aty amin' ny Tontolo Taloha izy ary lasa maniry hoazy any amin' ny faritra maro sady heverina ho zavamaniry manafika, indrindra any Aostralia, any Sina, aty amin' ny faritra atsimon' i Afrika (anisany i Madagasikara), ary any amin' ny nosin' i Pasifika maro.