Ipomoea
Fiseho

Ny Ipomoea dia vondron-karazana zavamaniry mamony, vahy, hazobotry, na hazo, ao amin' ny fianakaviana Convolvulaceae, ao amin' ny filaharana Solanales, misy karazana 500 any ho any. Mitanisa karazana 600 ka hatramin' ny 700 ny fikarohana sasany (D. Austin, 1997), ary maniry any Amerika Avaratra na Atsimo ny antsasany mahery. Voaporofo fa tena pôlifiletika ity vondron-karazana ity.
Karazana voafantina
[hanova | hanova ny fango]- Ipomoea alba L.
- Ipomoea amnicola Morong
- Ipomoea aquatica Forsk. 1775
- Ipomoea asarifolia (Desr.) Roemer et J.A. Schultes
- Ipomoea barbatisepala Gray
- Ipomoea batatas (L.) Lam. - (vomanga)
- Ipomoea cairica (L.) Sweet
- Ipomoea calantha Griseb.
- Ipomoea capillacea (Kunth) G. Don
- Ipomoea cardiophylla Gray
- Ipomoea carnea Jacq.
- Ipomoea coccinea L.
- Ipomoea coptica (L.) Roth ex Roemer et J.A. Schultes
- Ipomoea cordatotriloba Dennst.
- Ipomoea cordifolia Carey ex Voight
- Ipomoea costellata Torr.
- Ipomoea cristulata Hallier f.
- Ipomoea dumetorum Willd. ex Roemer et J.A. Schultes
- Ipomoea eggersiana Peter
- Ipomoea eggersii (House) D. Austin
- Ipomoea eriocarpa R. Br.
- Ipomoea hederacea Jacq. 1787
- Ipomoea hederifolia L.
- Ipomoea holubii (Baker), 1894
- Ipomoea horsfalliae Hook. f.
- Ipomoea imperati (Vahl) Griseb.
- Ipomoea inaccessa Wood, J.R.I., Martinez Ugarteche, M.T., Muñoz-Rodríguez, P., Scotland, R.W. (2018)
- Ipomoea indica (Burm.f.) Merr. 1917
- Ipomoea krugii Urban
- Ipomoea lacunosa L. 1753
- Ipomoea leptophylla Torr.
- Ipomoea ×leucantha Jacq. (pro sp.)
- Ipomoea lindheimeri Gray
- Ipomoea littoralis Blume
- Ipomoea lobata (Cerv.) Thell.
- Ipomoea longifolia Benth.
- Ipomoea macrorhiza Michx.
- Ipomoea meyeri (Spreng.) G. Don
- Ipomoea microdactyla Griseb.
- Ipomoea ×multifida (Raf.) Shinners
- Ipomoea nil (L.) Roth
- Ipomoea obscura (L.) Ker-Gawl.
- Ipomoea ochracea (Lindl.) G. Don
- Ipomoea pandurata (L.) G.F.W. Mey.
- Ipomoea pes-caprae (L.) R.Br. 1818
- Ipomoea pes-tigridis L.
- Ipomoea plummerae Gray
- Ipomoea prolifera Wood, J.R.I., Martinez Ugarteche, M.T., Muñoz-Rodríguez, P., Scotland, R.W. (2018)
- Ipomoea pubescens Lam.
- Ipomoea purga (Wender.) Hayne
- Ipomoea purpurea (L.) Roth
- Ipomoea quamoclit L.
- Ipomoea repanda Jacq.
- Ipomoea rupicola House
- Ipomoea sagittata Poir. 1789
- Ipomoea sectifolia Shinners
- Ipomoea setifera Poir.
- Ipomoea setosa Ker-Gawl.
- Ipomoea shumardiana (Torr.) Shinners
- Ipomoea steudelii Millsp.
- Ipomoea tenuiloba Torr.
- Ipomoea tenuissima Choisy
- Ipomoea ternifolia Cav.
- Ipomoea thurberi Gray
- Ipomoea trichocarpa Elliot 1823
- Ipomoea tricolor Cav.
- Ipomoea triloba L.
- Ipomoea tuboides O. Deg. et van Ooststr.
- Ipomoea turbinata Lag.
- Ipomoea violacea L.
- Ipomoea volubilis
- Ipomoea wrightii G
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana Ipomoea misy eto Madagasikara:
- Ipomoea alba (na Ipomoea bona-nox) -- vahifotsy, vahimbaventy, beatitry, vahimpotsy, vahitsidity.
- Ipomoea androyensis -- vahibavy (?).
- Ipomoea aquatica (na Ipomoea reptans) -- antarika, lalandy
- Ipomoea aspera -- bokalambitro
- Ipomoea batatas -- ambizo, anantaraona, anantarohana, bageda, bariaho, batata, bege, bela, bele, belena, belity, bemavo, bokala, bolidy, bolody, bonaka, borokay, gogavory, gogika, hoda, ikalamongo, kalafotsy, kalamanja, kalamavo, kalamena, kalamongo, kalandolaña, kalavory, kambara, kambo, kelemena, keliebo, keliladina, kelimena, kelimongo, kirangomena, lohafinjo, mandady, mbizo, ovihazo, ovimanga, ovozao, ovy, rahoda, rahodaka, tanambizo, toñàña, tongotrakoho, tsidinambotofotsy, tsimanga, tsomanga, vihazo, vomanga, vorondro
- Ipomoea bolusiana --
- Ipomoea cairica (na Ipomoea palmata) -- anambararata, anambolotara, ananambararata, kisantsola, vahimporinondry, vahintsatsaka, vahintsatsatra.
- Ipomoea darainensis --
- Ipomoea desmophylla -- kifolona, varangambitsika
- Ipomoea imperati --
- Ipomoea indica (na Ipomoea learii) -- poranakosy
- Ipomoea leucantha -- ampelantsifotra, ampelasifotra, voafo
- Ipomoea nil (na Ipomoea lindleyi) -- vahintsidy, sarovy, voankelana
- Ipomoea obscura -- voafo, oviala
- Ipomoea pes-caprae (na Ipomoea biloba) -- vahedalanda, lalandanjiake, lalandana, vahindalandana
- Ipomoea purpurea -- bahia, kisarisarimbomanga, sarisarimbomanga, sarisarivomanga, tsingovihovy, vahintsidity, vahitsidy, vomanganalika, vomangangoaika, vomangoaika
- Ipomoea wightii -- ajy, avy, tsingovihovy
Fiovana vondron-karazana
- Ny Ipomoea angustifolia (-- antsarake) teo aloha dia nafindra ao amin' ny vondron-karazana Merremia amin' ny anarana hoe Merremia tridentata, avy eo ao amin' ny vondron-karazana Xenostegia ankehitriny amin' ny anarana hoe Xenostegia tridentata subsp. angustifolia.
- Ny Ipomoea medium na Ipomoea media (-- famehifary) teo aloha dia nafindra ao amin' ny vondron-karazana Xenostegia ankehitriny amin' ny anarana hoe Xenostegia medium.
- Ny Ipomoea pterygocaulos (-- vahinkelaka) teo aloha dia nafindra ao amin' ny vondron-karazana Merremia ankehitriny amin' ny anarana hoe Merremia pterygocaulos.
- Ny Ipomoea beraviensis (-- vahindranavavy) teo aloha dia nafindra ao amin' ny vondron-karazana Stictocardia amin' ny anarana hoe Stictocardia beraviensis.
Anarana malagasy manondro zavamaniry isan-karazany
Indreto ny anarana amin' ny teny malagasy iantsoana ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Ipomoea sy ny vondron-karazana hafa mifanakaiky aminy ao amin' ny fiakaviana Convolvulaceae:
- bemavo: Ipomoea batatas; nefa manondro koa ny Ravenala madagascariensis (ao amin' ny fianakaviana Strelitziaceae) sy ny Sarcostemma viminale na Cynanchum viminale (ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae).
- bonaka: Ipomoea batatas; nefa maondro koa ny Cuscuta chinensis sy ny Cuscuta hygrophila (izay samy ao amin' ny fianakaviana Convolvulaceae).
- famehifary: Xenostegia medium (na Ipomoea medium teo aloha); nefa manondro koa ny Clitoria lasciva, ny Clitoria ternatea, ny Decorsea grandidieri ary ny Teramnus labialis (izay samy ao amin' ny fianakaviana Fabaceae).
- kambo: Ipomoea batatas; nefa manodro koa ny Portulaca oleracea (izay ao amin' ny fianakaviana Portulacaceae) sy ny Solanum tuberosum (izay ao amin' ny fianakaviana Solanaceae)
- ovihazo: Ipomoea batatas; nefa manondro koa ny Manihot esculenta na Manihot utilissima (fianakaviana Euphorbiaceae) sy ny Dioscorea minutiflora (fianakaviana Dioscoreaceae)
- ovy: Ipomoea batatas; nefa manondro koa ny Dioscorea acuminata sy ny Dioscorea alata (izay samy ao amin' ny fianakaviana Dioscoreaceae)
- tongotrakoho: Ipomoea batatas; nefa manondro koa ny Crateva excelsa sy ny Crateva greveana (izay samy ao amin' ny fianakaviana Capparaceae) ary ny Xerophyta dasylirioides (ao amin' ny fianakaviana Velloziaceae)
- vahindranavavy: Ipomoea beraviensis; nefa manondro koa ny Cissus floribunda (ao amin' ny fianakaviana Vitaceae)
- vihazo: Ipomoea batatas; nefa manondro koa ny Manihot esculenta na Manihot utilissima (fianakaviana Euphorbiaceae)
- vomanganalika: Ipomoea purpurea; nefa manondro koa ny Jacquemontia paniculata na Convolvulus parviflorus teo aloha (izay samy ao amin' ny fianakaviana Convolvulaceae)