International Plant Names Index

Ny International Plant Names Index (na IPNI) dia angon-drakitra an-tserasera momba ny anarana siantifikan' ny zavamaniry, izay manome fampahalalana momba ny bibliôgrafia momba ny Spermatophyta (zavamaniry misy vihy). Tanjony ny hanafoanana ny filàna miverimberina any amin' ny loharano voalohany hahazoana fampahalalana fototra momba ny bibliôgrafia momba ny anaran' ny zavamaniry. Azo idirana malalaka sady manaraka fenitra sy voamarina tsikelikely ny angona voarakitra.
Ahitana ny anaran' ny karazana sy ny vondron-karazana ary ny fianakaviana ny fanondroana ao aminy. Ho an' ny anarana vao haingana dia misy ihany koa ny anaran' ny zana-karazana. Nampanarahim-penitra ihany koa ny fanafohezana ny anaran' ny mpanoratra ary manaraka ny bokin' i Brummitt sy Powell, Authors of Plant Names (1992).
Ny IPNI dia fiaraha-miasa eo amin' ny fikambanana telo: ny Kew Gardens sy ny Harvard University Herbaria ary ny Australian National Herbarium. Tamin' ny voalohany dia nifototra tamin' ny fanakambanana Index Kewensis sy ny Index Gray Card ary ny Australian Plant Name Index (APNI) izy io.
Amin' ny famoahana anarana siantifika vaovao momba ny zavamaniry iray, ny mpanoratra dia afaka mampiditra ny angon-drakitra momba ilay anarana ao amin' ny tranokala, araka ny ohatra tian' ny MycoBank ho an' ny holatra sy ny an' ny ZooBank ho an' ny takspona zôôlôjika.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://www.ipni.org/