Hankany amin'ny vontoatiny

International Ornithologists' Union

Avy amin'i Wikipedia

Ny International Ornithologists' Union (IOU) dia fikambanana iraisam-pirenena fampiroboroboana ny ôrnitôlôjia (fandinihana ara-tsiansa ny vorona). Izy io dia mampifandray ny fikarohana fototra sy ampiharina ary mikolokolo ny hetsika fanabeazana sy fanentanana. Amin' ny ankapobeny, ny IOU dia mikarakara sy mamatsy vola ny kôngresy maneran-tany momba ny ôrnitôlôjia amin' ny fotoana tsy tapaka, manangana sy manohana vaomiera sy kômity amin' ny lafiny samihafa momba ny biôlôjia sy ny fiarovana ny vorona, ary manomboka sy manohana hetsika iraisam-pirenena maro momba ny ôrnitôlôjia miaraka amin' ny fikendrena manokana mifanaraka amin' ny iraka sy ny tanjony manokana. Ampahafantariny ao amin' ny tranokalany ny anarana sy ny maha matihanina ny mpikambana ao aminy mba hamporisihana ny fiaraha-miasa sy tambajotra iraisam-pirenena. Ny IOU dia miasa ho Fizaràna momba ny Ôrnitôlôjia ao amin' ny International Union of Biological Sciences (IUBS).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]