International Commission on Zoological Nomenclature

Ny International Commission on Zoological Nomenclature (ICZN) dia fikambanana iraisam-pirenena natsangana tamin' ny taona 1895, tao amin' ny Kôngresy Iraisam-pirenena Zôôlôjika faha-3 tao Leiden (any Nederlandy), mba hametraka fitsipika mitovy momba ny fanomezana anarana karazam-biby ho an' ny vondrona zôôlôjika rehetra. Tamin' ny taona 1895, ny ICZN dia nahitana zôôlôjista dimy izay mpikambana mpanorina azy: R. Blanchard, J.V. Carus, F.A. Jentink, P.L. Sclater sy C.W. Stiles.
Ny ICZN, izay manana mpikambana 25 ankehitriny avy amin' ny firenena 20 samihafa, dia miasa amin' ny fomba roa. Amin' ny lafiny iray, dia mamoaka ny International Code of Zoological Nomenclature, izay mirakitra ny fitsipika rehetra momba ny fanondroana karazam-biby. Etsy andanin' izay dia karazana tribonaly mandamina ny raharaha tsy fifanarahana koa izy. Ny ICZN dia mamoaka ny fanapahan-keviny ao amin' ny gazetiny mpivoaka isam-bolana, ny Bulletin of Zoological Nomenclature.
Amin' izao fotoana izao, ny literatiora siantifika dia mitanisa karazana biby an-tapitrisany maro, ary maherin' ny 2 000 ny vondron-karazana vaovao ary 15 000 ny karazana vaovao voaforona isan-taona. Ny ICZN dia miasa eo ambany fahefan' ny International Union of Biological Sciences (IUBS), ary ny mpikambana ao aminy dia fidin' ny zôôlôjista tsy mitonona anarana mandritra ny fivoriamben' ny IUBS na amin' ny kôngresy iraisam-pirenena sasany.
Fikambanana roa, dia ny American Association for Zoological Nomenclature sy ny European Association for Zoological Nomenclature, no miasa ho toy ny rohy eo amin' ny samy zôôlôjista ary manome fanohanana ara-bola ho an' ny ICZN . Ny fikambanana fahatelo, International Trust for Zoological Nomenclature, izay miorina any Londres, dia mandray anjara amin' ny fitantanam-bola sy ny famoahan-boky aman-gazetin' ny ICZN. Ny fivarotana ny bokiny dia tsy mahefa afa-tsy ny antsasaky ny vola lanin' ny ICZN ihany. Ao amin' ny Museum Natural History any Londres ny sekreteran' ny ICZN.