Aller au contenu

Insecta

Avy amin'i Wikipedia
Insecta

Ny Insecta, izay matetika atao hoe bibikely, dia kilasin' ny biby tsy misy hazondamosina, manana tongotra enina milahatra tsiroaroa havia sy havanana, manana vatana mizara telo: ny lohany (izay ahitana ny vavany sy ny tandrony roa ary ny masony) sy ny tratrany (izay misy ny tongony enina sy elany misosona roa) ary ny kibony (izay tsy misy rantsam-batana mipoitra avy aminy). Somary mafy ny hodiny izay solon-karany.

Misy karazany mbola misy izay efa ho 1,3 tapitrisa eo ho eo ity kilasy ity (ary efa ho 10 000 ny karazana vaovao voafaritra isan-taona), ny Insecta dia mahaforona ny 55 % amin' ny karazan-javamananaina ary 85 % amin' ny karazam-biby (voafaritra araka ny isan' ny karazana). Tombanana ho eo anelanelan' ny 5 sy 80 tapitrisa ny fitambaran' ny karazana mety misy.

Phaeostigma major - Pterygota

Biby insekta folo lavitrisa (1019) no tombanana ho velona amin' ny fotoana iray, araka ny fanombanana. Ny totalin-danjan' izy ireo dia 300 heny noho ny an' ny fotambatan' ny olombelona, ​​avo efatra heny noho ny an' ny biby manana hazondamosina, ary ny totalin-danjan' ny bibikely sôsialy fotsiny dia antsasaky ny an' ny Insecta.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Zana-kilasy

[hanova | hanova ny fango]
Petrobius maritimus (Archaeognatha) - Apterygota

Araka ny voalazan' i Roth (1974), ny kilasy Insecta dia mizara ho zana-kilasy:

  • Apterygota (tsy manana elatra);
  • Pterygota (manana elatra), izay ahitana ny ankamaroan' ny karazana ao amin' ny Insecta.

Araka an' i Brusca & Brusca (2003) sy araka an' i Ruggiero sy ny namany (2015), anisan' izany i Brusca, ny kilasy Insecta dia misy zana-kilasy telo:

Apterigota

[hanova | hanova ny fango]
Ischnura senegalensis - Palaeoptera

Ny zana-kilasy Apterygota dia misy filaharana roa: Archaeognatha sy Zygentoma.

Pterigota

[hanova | hanova ny fango]
Locusta migratoria - Neoptera

Ny zana-kilasy Pterygota dia misy filaharana miisa 25 izay mitsinjara amina zafin-kilasy roa, dia ny Neoptera sy ny Paleoptera. Ny Neoptera dia mizara ho reny filaharana efatra (Neuropterida, Holometabola, Paraneoptera, Polyneoptera) izay samy manana ny filaharana ao aminy avy, fa ny Paleoptera kosa dia mizara ho filaharana roa avy hatrany (Ephemeroptera sy Odonata).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]