Hankany amin'ny vontoatiny

India Atsinanana Neerlandey

Avy amin'i Wikipedia
India Atsinanana Neerlandey

I India Atsinanana Neerlandey, izay matetika hafohezina ho India Neerlandey no anarana nomen' i Nederlandy ny nosy maromaro nozanahiny tany Azia Atsimo Atsinanana nanomboka tamin' ny taona 1800 ka hatramin' ny Ady Lehibe II. Amin' ny teny neerlandey dia atao hoe Nederlands-Indië; fa amin' ny teny indôneziana dia tao hoe Hindia Belanda.

Tamin' ny 17 Aogositra 1945 dia nanambara ny fahaleovantenany ara-pôlitika ireo nosy ireo tamin' ny anarana hoe "Repoblikan' i Indônezia". Tsy neken' i Nederlandy izany fahaleovantena izany raha tsy ny 27 Desambra 1949, taorian' ny vanim-potoanan' ny ady mitam-piadiana sy diplaômatika izay antsoin' ny Indôneziana hoe Revolusi.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]