Imperata cylindrica

Ny Imperata cylindrica dia karazana ahitra misy taranja (na rizôma), maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Poaceae. Izy io dia maniry isan-taona, misy rizôma, izay mety mahatratra 1,5 m ny haavony. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe antsoro, fakatenina, fehana, manevika, saingona, tenina, tenona ary tsevoka.
Misy amin' ny faritra manana toetany mafana sy toetany antonony eran' izao tontolo izao izy io, maniry betsaka any Azia Atsimo-Atsinanana, any Mikrônezia, any Melanezia, any Aostralia, aty Afrika ary Eorôpa Atsimo. Nampidirina tany Amerika Latina sy tany Karaiba ary tany Etazonia atsimo atsinanana koa izy io. Zavamaniry mora mirehitra izy, afaka miely haingana amin' ny faritra voakorontana ary mahamora ny doro tanety matetika.
Ampiasaina indrindra hanaovana haingon-tanàna izy ary ampiasaina koa ny tsiraka azo avy aminy. Anisan' ny ahi-dratsy manimba karazam-boly maro izy ity ary heverina ho zavamaniry manafika any amin' ny firenena maro. Ny tenina dia tafiditra ao anatin' ny lisitry ny karazana 100 mahery mpanafika indrindra eran-tany napetraky ny International Union for Conservation of Nature (IUCN).
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Ataonao ho valala tsy ampoka ny ahitra ve aho, ka hifiaka ny antsoro maina?
- Boka lavo amin' antsoro: raha nisy fivoy dia lakana.
- Boka lavon' antsoro: any an-dohasaha vao mifanatrika.
- Ny vato natao hiafenana no namosaka ny antsoro maina.
- Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriana.
- Matavy anarana, famahiatena, ohatra ny saingona.