Imperata

Ny Imperata dia antokon-javamaniry tokan-dravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Poaceae, teratany any amin' ny faritra manana toetany antonony somary mafana sy toetany mafana eran' izao tontolo izao. Misy karazany folo eo ho eo io antoko io. Maniry mihoatra ny roa taona izy ireo, misy taranjany sy manana taho mitsangana izay mety mahatratra haavo 1,5 m ary avobnsronbony malambolambo. Ny karazana fantatra indrindra dia ny Imperata cylindrica (antsoro na tenina), izay ahi-dratsy any amin' ny faritra maro, saingy ambolena ho zavamaniry haingo ihany koa.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny karazana raka ny World Checklist of Selected Plant Families (WCSP) (20 Jolay 2016):
- Imperata brasiliensis Trin. (1832)
- Imperata brevifolia Vasey (1886)
- Imperata cheesemanii Hack. (1903)
- Imperata condensata Steud. (1854)
- Imperata conferta (J.Presl) Ohwi (1941)
- Imperata contracta Hitchc. (1893)
- Imperata cylindrica (L.) P.Beauv. (1812)
- Imperata flavida S.M.Phillips & S.L.Chen (2005)
- Imperata minutiflora Hack. (1889)
- Imperata parodii Acev.-Rodr. (1968)
- Imperata tenuis Hack. (1889)
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Tsy misy afa-tsy karazana tokana no fantatra fa misy eto Madagasikara, dia ny Imperata cylindrica, izay atao amin' ny teny malagasy hoe antsoro, fakatenina, fehana, manevika, saingona, tenina, tenona ary tsevoka.
Karazana napetraka tao taloha
[hanova | hanova ny fango]Karazana maro no nafindra tany amin' ny antoko hafa:
- Imperata eulalioides → Miscanthus sacchariflorus
- Imperata exaltata → Tripidium arundinaceum
- Imperata klaga → Saccharum spontaneum
- Imperata ovata → Lagurus ovatus
- Imperata saccharifera → Cinna arundinacea
- Imperata sacchariflora → Miscanthus sacchariflorus
- Imperata sara → Tripidium bengalense (= Saccharum bengalense)
- Imperata spontanea → Saccharum spontaneum
- Imperata tinctoria → Miscanthus tinctorius