Impatiens balsamina
Fiseho
Ny Impatiens balsamina dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Balsaminaceae, teratany any India sy any Mianmara ary nampidirina tany Eorôpa tamin' ny taonjato faha-16. Zavamaniry isan-taona ambolena eny an-jaridaina izy io. Tsy tokony hafangaro amin' ny Impatiens walleriana izy. Mamony izy amin' ny fahavaratra sy ny fararano. Manomboka amin' ny fotsy ka hatramin' ny mavokely sy mena ary volomparasy ny lokon' ny voniny. Atao hoe benjamina ny anarany amin' ny teny malagasy.