Ila bolantany

Amin' ny jeôgrafia, ny ila bolantany na ilabolantany dia ny antsasaky ny Tany. Araka ny mahazatra dia azo zaraina ho faritra roa ny bolantany, ka ny ampahany tsirairay dia miorina eo amin’ ny teboka antsoina hoe tendron-tany ary misaraka amin’ ny ilany iray amin’ ny alalan' ny faribolana lehibe.
Karazana ila-bolantany
[hanova | hanova ny fango]Ila bolantany avaratra sy ila bolantany atsimo
[hanova | hanova ny fango]
Mizara ho ila bolantany roa avaratra sy atsimo ny Tany. Miorina amin' ny Tendrontany Avaratra ny voalohany, ny faharoa amin' ny Tendrontany Atsimo, ary ny manasaraka ny roa tonta dia ny ekoatera na fehibe.

Mandrakotra ny 68 % amin' ny velaran' ny tany maina ary fonenan' ny 90 % amin' ny mponina eran-tany ny ila bolantany avaratra. Anisan’ io ila bolantany io i Amerika Avaratra, i Eorôpa, i Azia, ary ny ampahany be amin’ i Afrika.
Tsy ahitana afa-tsy 32 % amin' ny velaran-tany maina eto amin' ny Tany ny ila bolantany atsimo ary fonenan' ny 10 % eo ho eo amin' ny mponina eran-tany. Anisan’ izany i Amerika Atsimo, i Aostralia, i Antarktika, ary ampahany atsimo amin' i Afrika.
Ila bolantany andrefana sy ila bolantany atsinanana
[hanova | hanova ny fango]
Ny Tany koa dia azo zaraina ho ila bolantany andrefana sy ila bolantany atsinanana amin' ny alalan' ny fiheverana ny faritra andrefana sy atsinanan' ny laharan-jarahasin' i Greenwich. Tsy mitovy amin' ny fizaràna miorina amin' ny tendron' ny teza ihodinan' ny Tany sy ny ekoatera ity fizarana hafa ity, izay atao amin' ny tsipika matao an' i Greenwich ho laharan-jarahasina iaingana.

Ny ila bolantany atsinanana ahitana ny ampahany be amin' Afrika, i Eorôpa, i Azia ary i Aostralia, ary koa ny Ranomasimbe Indiana sy ny tapany andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika.
Ny ila bolantany andrefana dia ahitana an' i Amerika Avaratra sy Amerika Atsimo, ny tapany atsinanana amin' ny Ranomasimbe Pasifika, ny Ranomasina Karaiba, ary ny ampahany be amin' ny Ranomasimbe Atlantika.
Ila bolantany "antoandro" sy ny ila bolantany "alina"
[hanova | hanova ny fango]
Azo atao koa ny miresaka ny amin' ny ila bolantany "antoandro" sy ny ila bolantany "alina" rehefa, ohatra, tiana ny hanavaka ny ampahany amin' ny Tany ao anaty hazavan' ny andro, amin' ny ampahany ao anaty haizina. Amin' ity tranga ity, ny fetra manasaraka ny ila-bolantany roa dia ny tsipiky ny mpamarana ary miova arakaraka ny fihodinan' ny Tany amin' ny tenany.