Hankany amin'ny vontoatiny

Hylochoerus meinertzhageni

Avy amin'i Wikipedia
Hylochoerus meinertzhageni

Ny Hylochoerus meinertzhageni dia karazana biby mampinono ao amin' ny fianakaviana Suidae, izay hany mpikambana ao amin' ny vondron-ka razana Hylochoerus. Tamin' ny 1904 izy io no nofaritana voalohany. Io anaran' ny karazana io dia manome voninahitra an' i Richard Meinertzhagen, izay nitifitra ilay santionany tany Kenià ary nandefa azy io tany amin' ny Natural History Museum in England.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]
Andiana Hylochoerus meinertzhageni

Ny Hylochoerus meinertzhageni dia manana halavana 130 ka hatramin' ny 210 sm, haavony eo amin' ny soroka 75 ka hatramin' ny 110 sm, ary halavan' ny rambony 25 ka hatramin' ny 45 sm. Ny lanjany dia mety hahatratra 100 ka hatramin' ny 275 kg.

Faritra ahitana azy

[hanova | hanova ny fango]

Ny Hylochoerus meinertzhageni dia hita any amin' ny ala trôpikaly mikitroka sy mando, saingy ahitana azy ihany koa any amin' ny faritry ny hivoka misy ala izay mbola be zavamaniry. Izany dia avy any Ginea ka hatrany Ganà, avy any amin' ny faritra atsinanana amin' i Nizerià ka hatrany Kenià sy avaratra amin' i Tanzania; ary any amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' i Etiôpia. Hita any amin' ny faritra misy ala any avaratra-atsinanana amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, sy any amin' ny faritra atsimo amin' i Sodàna.

Zana-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny zana-karazan' ny Hylochoerus meinertzhageni araka ny Mammal Species of the World (30 novembre 2022):

  • Hylochoerus meinertzhageni ivoriensis Bouet & Neuville, 1930
  • Hylochoerus meinertzhageni meinertzhageni Thomas, 1904
  • Hylochoerus meinertzhageni rimator Thomas, 1906

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]