Homo sapiens
Fiseho

Ny Homo sapiens dia anarana siantifika ilazana ny karazana ara-tsiansa anondroana ny olombelona ankehitriny, izay ao amin' ny vondron-karazana Homo sy ao amin' ny fianakaviana Hominidae. Tao Afrika no heverin' ny mpikaroka fa nipoiran' ny Homo Sapiens, 150 000 hatramin' ny 300 000 taona tany aloha. Avy ao izy no niely maneran-tany. Ny karandohan' olona hita tao Etiôpia tamin' ny taona 2003 dia heverin' ny manampahaizana fa karandohan' ny Homo Sapiens, izay mety niaina 160 000 taona tany aloha. Ara-bakiteny dia midika hoe "olona marani-tsaina" ny teny latina notefena hoe Homo Sapiens. Teny ao amin' ny sokajin' ny anarana ny hoe homo ("olona") fa mpamari-toetra kosa ny hoe sapiens ("mahay", "hedry", "marani-tsaina").
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Primates
- Homo sapiens sapiens - Homo sapiens idaltu - Homo sapiens neanderthalensis
- Homo faber (filôzôfia)
- Homo economicus (toekarena)
- Homo sociologicus (sôsiôlôjia)