Homo

Ny Homo dia ny vondron-karazana ahitana ny Homo sapiens (olombelona) sy ny karazana mifanakaiky aminy, ao amin' ny fianakaviana Hominidae. Nipoitra tamin' ny vanim-potoan' ny Pliôsena na tany am-piandohan' ny Pleistôsena izy io, arakaraka ny fomba nametrahan' ny paleôantrôpôlôga ny fôsily tranainy indrindra. Nandritra ny 2,5 tapitrisa taona teo ho eo, ny vondron-karazana Homo dia namokatra karazana maro, noho ny fiparitahany ara-jeôgrafia tany am-boalohany nanerana ny Tontolo Taloha sy ny fivoarany tany amin' ny toeram-ponenana ekôlôjika isan-karazany.
Efa lany tamingana izao ny karazana ao amin' ny vondron-karazana Homo rehetra, afa-tsy ny Homo sapiens. Ny Homo floresiensis, ny Homo luzonensis, ny Homo longi, ary ny Homo neanderthalensis, izay karazana farany mifandray akaiky aminy, dia nanjavona teo anelanelan' ny 50 000 sy 30 000 taona lasa izay.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Fanasokajiana ivelany
[hanova | hanova ny fango]
Izao ny filaharana sy ny fianakaviana sns misy ny vondron-karazana Homo:
- Primates
- Haplorrhini
- Simiiformes (rajako)
- Catarrhini (rajakon' ny Tontolo Taloha)
- Hominoidea (rajako lehibe na rajako tsy misy rambo)
- Catarrhini (rajakon' ny Tontolo Taloha)
- Simiiformes (rajako)
- Haplorrhini
Fanasokajiana anatiny
[hanova | hanova ny fango]Ny vondron-karazana Homo dia ahitana karazana izay efa lany tamingana avokoa, afa-tsy ny karazana Homo sapiens. Inty ny lisitra araka abidin' ireo karazana ireo:
- Homo antecessor
- Homo longi
- Homo erectus
- Homo ergaster
- Homo floresiensis
- Homo gautengensis
- Homo georgicus
- Homo habilis
- Homo heidelbergensis
- Homo luzonensis
- Homo naledi
- Homo neanderthalensis
- Homo rhodesiensis
- Homo rudolfensis
- Homo sapiens (olombelona)