Hankany amin'ny vontoatiny

Hominini

Avy amin'i Wikipedia
Olombelona sy simpanje, roa amin' ny karazana velona amin' ny foko Hominini. * Primates ** Hominoidea *** Hominidae **** Homininae ***** Homnini

Ny Hominini dia fokon-javamananaina ao amin' ny zana-pianakaviana Homininae. ao amin' ny fianakaviana Hominidae. Manana vondron-karazana roa mbola misy izy ireo, dia ny Homo (olombelona) sy ny Pan (ny rajako simpanje sy bônôbô), ary amin' ny fampiasana mahazatra dia tsy tafiditra ao anatin' izany ny vondron-karazana Gorilla (gôrila), izay mivondrona mahaleo tena ao anatin' ny zana-pianakaviana Homininae.

Fanasokajiana taksonômikan' ny reny fianakaviana Hominoidea

Nampidirin' i Camille Arambourg (1948) ny teny hoe Hominini, izay manambatra ny vondron-karazana Hominina sy Simiina araka ny fanasokajian' i Gray (1825).

Tamin' ny fomba mahazatra, ny simpanje (Pan troglodytes) sy ny gôrila (Gorilla) ary ny orangotana (Pongo) dia navondrona ho Pongidae (rajako lehibe), tsy anisan' izany ny olombelona. Nanomboka tamin' ny fanasokajiana nataon' i Gray, ny porofo nangonina avy amin' ny filôjenetika dia nanamafy fa ny olombelona sy ny simpanje ary ny gôrila dia mifandray akaiky kokoa noho ny orangotana. Nafindra ho any amin' ny fianakaviana Hominidae (rajako lehibe) ny orangotana, izay efa nampidirana ny olombelona; ary ny gôrily dia natambatra ho foko misaraka (Gorillini) ao amin' ny zana-pianakaviana Homininae. Na izany aza, mbola iadian-kevitra ny antsipirian' ity fanovana ity, sy ny famoahana am-boky azy hatramin' izay (ny foko Hominini), tsy ny loharano rehetra no manilika ny gôrila ary tsy ny loharano rehetra koa no mampiditra ny simpanje

Ny olombelona no hany karazam-biby mbola misy ao amin' ny sampana (zana-poko) Australopithecina, izay ahitana biby havan' ny olombelona akaiky maro efa lany tamingana.