Hominidae

Ny Hominidae dia fianakaviana ao amin' ny Simiiformes (rajako), ao amin' ny Primates, izay ahitana ny vondron-karazana Pongo (orangotana), Gorilla (gôrila), Pan (simpanje) ary Homo. Izy ireo koa dia ahitana vondron-karazana fôsily maromaro mpihavana, razambe na, matetika kokoa, rahavavin' ny razamben' ny vondron-karazana efatra mbola misy.
Ity fianakaviana ity dia manana vondrona rahavavy Hylobatidae, rajako hafa tsy misy rambo, antsoina matetika hoe zibôna, izay ahitana vondron-karazana efatra sy karazany roapolo eo ho eo. Ireo Primates rehetra ireo dia mamorona ny reini-fianakaviana Hominoidea, antsoina koa hoe "rajako lehibe".
Araka ny lisitra mena IUCN momba ny karazan-javamananaina atahorana ho lany tamingana, karazana fito amin' ny valo ao amin' ny hominidae no atahorana ho lany tamingana, iray ihany no heverina ho mpanafika.