Hankany amin'ny vontoatiny

Homarus

Avy amin'i Wikipedia
Hommarus gammarus

Ny Homarus dia vondron-karazana na sokajy ao amin' ny fianakaviana Nephropidae, ao amin' ny filaharana Decapoda, ao amin' ny kilasy Malacostraca, ao amin' ny zana-pisampanana Crustacea, miaina an-dranomasina. Anisan' ny atao hoe antsisiky izy io amin' ny teny malagasy. Misy karazana roa ity vondron-karazana ity:

  • ny Homarus gammarus (Linnaeus, 1758);
  • ny Homarus americanus (H. Milne Edwards, 1837).

Miavaka amin' ny langosta (Palinuridae) noho fananany fiketohana ngeza sy hodiny tsy dia imisy tsilo loatra ny Homarus. Manana endrika mitovy amin' ny Homarus ny orana (Astacidae, Cambaridae, Parastacidae), saingy kely kokoa sady miaina anaty ranomamy. Mety hahatratra 50 taona ny faharetan' ny fiainan' ny Hommarus gammarus.

Homarus americanus

Anisan' ny vondron-karazana Nephropidae telo misy tanana fiketokana mbola misy izay mampiseho tsy fitoviana eo amin' ny tanana fiketohany ny Homarus: ny iray natao hanapotsitra fa ny faharoa hanapaka. Ny Nephrops (izay manify kokoa, ary misy toa lavaka lava manaraka ny andavan' ny fiketohany sy eo amin' ny kibony) sy ny Homarinus (izay mbola kely kokoa, sady volovoloina ny fiketohany) no vondron-karazana hafa mitovitovy aminy.

Homarus gammarus

Mampiseho fifandraisana akaiky eo amin' ny Homarinus sy ny Homarus ny fanadihadiana momba ny môrfôlôjia, ary manambara ny famakafakana môlekiola amin' ny fampiasana ADN mitôkôndrialy fa tsy taksa mpirahavavy izy ireo. Samy tsy manana haingo toy ny tsilo sy ny vombon-damosina ireo vondrona roa ireo, saingy heverina fa tonga tamin' io endrika io tamin' ny fomba tsy mifampiankina. Havana akaiky indrindran' ny Homarus ny Nephrops norvegicus, fa ny havana akaiky indrindran' ny Homarinus kosa dia ny Thymops sy ny Thymopides.

Faritra misy azy

[hanova | hanova ny fango]

Mety tsara amin' ny Homarus ny ranomasina mangatsiaka, tsy toy ny langosta izay any atsimo kokoa ny faritra misy azy. Malalaka be ny faritra ahitana ny Homarus, saika manerana ny morontsirak' i Atlantika Avaratra, eo amin' ny lafiny eorôpeana sy amerikana. Ny Homarus dia miaina eo amin' ny fetran' ny faritra mipoitra amin' ny fiakaran' ny ranomasina, any ambanin' ny vatolampy izay ahafahany mihady lavaka, ka hatrany amin' ny halalina 50 na 60 metatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]