Hilario avy any Piktavio

Avy amin'i Wikipedia
Fanaovana ordinasiona an'i Hilario avy any Piktavio

I Hilario avy any Piktavio dia evekan'i Piktavio sy Rain'ny Fiangonana. Teraka tamin'ny taona 315 tao Akoitania ary maty tamin'ny taona 367 izy. Tsy Kristiana ny fianakaviany nefa niova ho kristiana anefa izy.

Tokony tamin'ny taona 353 dia voafidy ho evekan'i Piktavio (frantsay: Poitiers; latina: Pictavium) izy ka avy hatrany dia niady amin'ny fampianaran-dison'ny arianisma tao amin'ny fari-piadidiany. Afaka nandroaka azy hisesitany tany Frigia tamin'ny taona 356 Ny mpanohana ny arianisma ka tany no nanoratany ny bokiny mitondra ny lohateny hoe De Trinitate ("Ny amin'ny Trinite"), izay nakany hevitra avy amin'ny Evanjely nosoratan'i Joany. Nasehony fa ao amin'ny Baiboly dia ahitana andalana maro momba ny finoana ny Trinite, ka nanoherany ny arianisma izany. Rehefa niverina tao Piktavio i Hilario tamin'ny taona 361 dia nanao izay hanjakan'ny finoana kristiana eran'i Galia (frantsay: Gaulle) araka ny namaritan'ny konsily voalohany tao Nikea azy, ka izany no nahatonga azy halaza sy hatao isan'ny Rain'ny Fiangonana ao amin'ny Fiangonana latina. Maro ny bokynosoratany ka isan'ireny ny

  • Commentarius in Evangelium Matthaei ("Heviteny amin'ny Evanjelin'i Matio") (taona 353-356).
  • De Trinitate ("Ny amin'ny Trinite") (taona 356-360).
  • Contra Constantium Augustum liber ("Manohitra an'i Konstatio Aogosto") (taona 360-361).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]