Hibiscus vitifolius

Ny Hibiscus vitifolius dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Malvaceae. Izy io dia teratany any amin' ny tany trôpikaly sy sobtrôpikaly izay manana fizaran-taona maina, ary nampidirina tany Karaiba. Zavamaniry ahitra maharitra iray ka hatramin' ny roa taona izy io, mety mahatratra haavo 2 m ary lasa misy tsiraka hazo rehefa lehibe, hita any amin' ny toeram-paniriana isan-karazany, ary ahidratsy ho an' ny fambolena. Ampiasaina izy io hahazoana tsiraka, matetika afangaro amin' ny tsiraka avy amin' ny Corchorus olitorius na ny an' ny Corchorus capsularis. Atao hoe hazoampela na azoampela izy io amin' ny teny malagasy nefa ny Hibiscus diversifolius koa dia antsoina amin' io anarana io.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Henjana sy mitsangana, mitombo hatramin' ny roa metatra, miaraka amin' ny tahony manopy mena indraindray ity zavamaniry ity. Midadasika sy mibikan' atody ny raviny, miedrika fo na mirimbana am-potony ary misy kinifinifiny ny sisiny. Mitombo ka mamorona tampona sy mipoitra avy eo amin' ny foto-dravina ny vondromboniny. Somary malefaka ny vondron-dravimbony. Misy felambony dimy mifanindry, miloko mavo na hatsatra, misy pentina mena antitra eo am-potony ny vondrom-pelambony. Arahin' ny fonony maina miloko manja hatsatra misy voa mainty miendrika matsa ny voniny.
Faritra aniriany sy toerana tiany aniriana
[hanova | hanova ny fango]
Teratany any amin' ny faritra mafana aty Afrika, any Atsinanana Afovoany, any India ary any Azia Atsimo Atsinanana ny Hibiscus vitifolius. Nampidirina tany amin' ny ankamaroan' ny nosy any Karaiba izy io. Ity zavamaniry ity dia manana karazan-toeram-paniriana maro be, any anaty ala, any amin' ny toerana mazava anaty ala, eny amin' ny sahalava, eny amin' ny kirihitr' ala anjakan' ny Acacia sy ny Commiphora, eny amin' ny tany foana ary eny amoron-dalana, amin' ny haavo hatramin' ny 3 000 metatra.
Zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny zana-karazan' ny Hibiscus vitifolius:
- Hibiscus vitifolius subsp. lukei Mwachala & Cheek
- Hibiscus vitifolius subsp. vitifolius
- Hibiscus vitifolius subsp. vulgaris