Hankany amin'ny vontoatiny

Hety

Avy amin'i Wikipedia
Hety isan-karazanay

Ny hety dia fitaovana misy lelany roa raisin-tanana, azo ahetsiketsika hifampikasoka mba hanapahana na handidiana zavatra manify. Atao eo anelanelan' ny lelany roa, izay hetsehina amin' ny alalan' ny tahony, ny zavatra hotapahana. Mandrirotra sy manapaka ny zavatra hotapahina ny sisin' ny lelany maranitra rehefa mikatona ny tahony roa mifanohitra. Ny hety dia ampiasaina amin' ny fanapahana zavatra manify isan-karazany, toy ny taratasy, ny baoritra, ny takelaka metaly, ny lamba, ny tady, ny kofehy, ny tariby ary ny volo. Misy maro ny karazana hety izay natao ho an' ny tanjona samihafa sy manokana. Ny fampiasana ny karazana hety tsy natokana ho an' ny volo dia miteraka fahasimban' ny volo. Ny hetin-dakozia dia natao hanapahana ny zavatra hatao sakafo toy ny hena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]