Hetsika rôsania

Avy amin'i Wikipedia

Ny hetsika rôsany na hetsika rôsania dia hetsika sofy manentam-bahoaka, tsy mikendry fisarahana ara-pivavahana, izay niorina tamin' ny tapaky ny taonjato faha-16 ary nipoitra teo anivon' ireo foko afghàna. Ny hetsika dia naorin' ny mpiady afghana na pastona, pôeta, sofy ary mpitarika revôlisionera atao hoe Bayazid Ansari, izay fantatra kokoa amin' ny anarana hoe Pir Roshan. Nanohitra ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny ara-tsôsialy, izay hitany fa nampiharin' ny fahefana eo amin' ny Empiran' ny Mughal, i Bayazid. Niaro ny fiitsipi-pitondran-tena sy foto-kevitra mampitovy zo izy, izay navoakan' ireo Rôsania mpanaraka azy tao anatin' ny finoana silamo. Nanabe sy nanome toromarika ny mpanaraka ny hetsika tamin' ny alalan' ny fampianarana vaovao sy mahery vaika i Bayazid izay nametra-panontaniana momba ireo kanôna islamika fototra nandritra izany fotoana izany, ary nampiely ny foto-kevitra mampitovy zo. Nanakoako teo amin' ireo foko afridy, ôrakzay, kalily, môhmandy ary bangasy any Afganistàna ny fampianarany.

Ny Rôsania dia vondrona sofy milenarista malaza amin' ny vahoaka afghàna any amin' ny faritra avaratra andrefan' ny Empira Mughal. Nahazo hery sy fahefana matanjaka teo amin' ireo foko pastona atsinanana ilay vondrona ary nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny tantaran' ny Pastona sy tamin' ny pôlitikan' ny Empira Mughal tamin' ireo sisin-tany andrefana. Ny hetsika mihitsy dia fanamby ho an' ny fiarahamonin' ireo foko afghana, ary ny tanjony dia ny hampitranga ireo olana momba ny fitarihana, ny fahefana ary ny etika sôsialy. Mpanara-dia sy mpianatr' i Bayazid Ansari ny mpitarika azy, ary nandrahona ny hanimba ny fitarihan' ny foko nentim-paharazana ny mpikambana ao amin' ilay hetsika. Ny hetsika rôsania dia nandalo dingana telo: ny dingana voalohany dia naharitra teo anelanelan' ny taona 1565 ka hatramin' ny 1585, ny dingana faharoa tamin' ny taona 1585 ka hatramin' ny 1605, ary ny dingana fahatelo tamin' ny taona 1605 hatramin' ny 1632.