Hankany amin'ny vontoatiny

Hetsika LGBT

Avy amin'i Wikipedia

Ny hetsika LGBT dia hetsika ara-piarahamonina iray tany am-boalohany fa lasa nitatra ho hetsika ara-politika mba ho fampiroboroboana ny zon'izy ireo hitovy amin'ny zon'ny olona hafa amin'ny ankapobeny. Tsy hetsika tokana fa fivondronana na fiarahana hetsika samy manana ny azy sy ny zo arovany. Karazam-piombonana hetsika maro samy hafa noho izany ny hetsika LGBT.

Ireo fanondroana isankarazany

[hanova | hanova ny fango]

Ny L fanafohezana ny Lesbiana dia entina anondroana ireo vehivavy tia vehivavy. Fironana ara-pananahana izany. Ny G dia fanafohezana ny teny anglisy hoe Gay ary entina anondroana ireo sekatra[1] araka ny filazan'ny Ntaolo fa pelaka kosa no fandre mazava taty aorian'ny fahaleovantena ka manana ny fironana ara-pananahana lehilahy tia lehilahy. Ny B kosa, fanafohezana ny teny anglisy hoe Bisexual, dia mbola fironana ara-pananahana ihany koa fa sady tia lehilahy izy no tia vehivavy. Ary ny T kosa dia fanafohezana ny Trans izay lehilahy iray na vehivavy iray mahatsapa ny tenany ho tsy araka izay anondroana azy na araka izay hita maso raha mitanjaka izy. Misy ireo mahavita manova ny fitaovam-pananahany amin'ny alalan'ny fandidiana. Eo amin'ny fanondroan'ny malagasy ity vondron'olona Trans ity dia azo raisina ny voambolana sarindahy (vehivavy iray mitomban-dahy na manana toetra ho lahy eo amin'ny fihetsika sy ny fitafy) sy sarimbavy (lehilahy iray lazaina ho vavy toetra na fihetsika na fitafy). Tsy misy, noho izany, na tsy ampidirina ny fironana ara-pananahana ao aminy amin'ny maha-trans azy fa ifotorany manokana kosa ny fijeren'ny olona iray ny toe-tenany na toe-batany. Ireo toetra efatra ireo no mamaritra ny antsoina hoe LGBT.

Taoriandriana kokoa dia mety ho ampidirin'ireo efatra voalaza etsy ambony ny fironana antsoina amin'ny teny anglisy hoe Queer. Ny teny anglisy hoe queer izay nohafohezina hoe Q dia midika hoe hafahafa na tsy mahazatra. Nandritra ny taonjato faha-20 io voambolana io dia nampiasaina ho teny fanaratsiana na fandrabirabiana ireo olona heverina ho pelaka na tsy manaraka ny fenitra mahazatra hoe lahy na vavy. Tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-20 anefa, dia nisy ireo olona sy fikambanana sasantsasany tao amin'ny fiarahamonina LGBT nandray indray io teny io ary nampiasa azy ho mariky ny hambo sy hanoherana ny fanilikilihana.

Dia mbola misy ihany koa ny I izay nanafohezana ny voambolana anglisy Intersex. Ireto vondron'olona vitsy an'isa hafa ireto kosa indray dia notondroina noho ny toe-batany amin'ny fitaovam-pananahana manokana tsy mitovy loatra amin'ny fitaovam-pananahany lehilahy mahazatra na fitaovam-pananahan'ny vehivavy mahazatra.

Ny Hetsika LGBT

[hanova | hanova ny fango]

Na dia tsy misy fikambanana iray mahasolo tena ny olona LGBTQ rehetra aza, dia manao ny asany ireo vondrona maro mpiaro ny zon'ny olona LGBTQ, ao ireo fikambanana eny ifotony sy vondrom-piarahamonina mampandroso ireo fotokevitra mifandraika amin'izany. Ny fikambanana voalohany fantatra momba ny zon'ny LGBTQ dia ny Komity Siantifika Mahaolombelona, izay niorina tao Berlin tamin'ny taona 1897.[2]

Tanjona iraisan'ny hetsika LGBTQ ny hananan'ny olona LGBTQ zo mitovy amin'ireo olona hafa mahazatra. Tanjona manokana ny tsy hametrahana ho heloka eo anatrehan'ny lalàna ny firaisan'ny lahy amin'ny lahy na/sy ny firaisan'ny vavy amin'ny vavy. Tanjona manokana ihany koa ny fankatoavana eo anatrehan'ny lalàna, mba ho ara-dalàna, ny fisoratam-panambadian'ny samy lahy na samy vavy, ny fiarovana azy ireo manoloana ny fanilikilihana ary mba hahazo fitsaboana manamafy ny maha-lahy na maha-vavy tian-dry zareo ijoroana ry zareo. Misy ny vondrona sasany amin'ireo hetsika ireo mampiharihary ampahibemaso ny fahitana azy ireo amin'ny kolontsainy, amin'ny fifampitsinjovan'ny mpiray monina ary ny fanafahana azy ireo amin'ny rafitra ara-tsosialy heverina ho mangeja azy ireo.

Ny hetsika LGBT maoderina dia mahafaoka paikady isan-karazany, anisan'izany ny fandresen-dahatra an-dalantsara eo amin'ny lafiny politika, ny diabe an-dalambe sy ireo fihetsiketsehana maro isan-karazany, ny fifanampiana, ny fanohanana asa-karoka akademika (oniversitera), ary ny fanehoana ara-javakanto.

Naoty sy Referansa

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://randy-donny.com/articles/l-homosexualite-n-est-ni-une-mode-ni-importee
  2. Whisnant, Clayton J. (2016). Queer Identities and Politics in Germany: A History, 1880–1945. Columbia University Press. p. 17. ISBN 978-1-939594-10-5.