Hetsi-panoherana 2025 eto Madagasikara

Ny hetsi-panoherana Septambra 2025 eto Madagasikara dia hetsi-bahoaka nitranga noho ny fahatapahan' ny rano sy ny herinaratra matetika isan'andro manerana ny Nosy, izay niova ho fanoherana bebe kokoa ny fitondram-panjakana misy, hetsi-panoherana izay notarihin' ny mpianatra sy ny tanora malagasy.
Ny mpikarakara avy amin'ny Génération Z na Gen Z (fr) dia nampiasa ny fanevan' ny jiolahin-tsambo misatroka mololo notsongaina tamin' ilay andian-tantara an-tsaray japôney Jolly Roger One Piece[1]. Tombanana ho 400 ny maratra ary 22 ny maty, ka anisan'izany ny solombavambahoakan'i Betioky Atsimo, Jean-Jacques Rabenirina[2]. Nolavin' ny manam-pahefana tamin' izany fotoana izany anefa ireo tarehimarika ireo ka mbola miandry ny antontanisa ôfisialy[3].
Efatra andro taorian'ny fihetsiketsehana dia noravan'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny governemanta notarihin'ny praiminisitra Ntsay Christian mba ho fampitoniana ny fihetsiketsehana.
Tamin' ny 11 Oktobra dia nisy ampahany tamin' ny tafika (ny CAPSAT) izay nanatevin-daharana ny mpanao fihetsiketsehana nameno ny kianja afovoan' ny renivohitra[4]. Nikomy ny tafika amin' ny ankapobeny tamin' ny farany, ka vaky nandositra any ivelan' i Madagasikara ny filoham-pirenena tamin' ny 12 Oktobra nampian' ny Frantsay[5]. Tamin' io andro io ihany, ny kôlônely Randrianirina Michael no nandray ny fahefana sy nandrava ny andrim-panjakana ary nampanantena fifidianana ao anatin' ny roa taona[6]. Nolanian'ny antenimieram-pirenena tamin' ny latsa-bato 130 tao anatin'ny 131 ihany ny "empechement" ny filoham-pirenena fotoana fohy taorian'ny nanapahan'i Andry Rajoeliana hanafoana ny antenimieram-pirenana.
Toe-draharaha
[hanova | hanova ny fango]Toe-draharaha ara-toekarena sy ara-tsôsialy
[hanova | hanova ny fango]Nandritra ny taona maro dia niatrika fahatapahan' ny herinaratra sy rano matetika ny faritra rehetra eto Madagasikara. Nanambara ny orinasa mpaninjara jiro sy rano Jiro sy Rano Malagasy (na Jirama), fa, noho ny fahanteran'ny fitaovana sy ny tsy fahampian-drano ary ny tsy fahampian'ny solika, ka tsy afaka mampandeha ny famokarana araka ny filàna rano ary indrindra herinaratra, dia nampihodina ny fanapahana ao Antananarivo renivohitra.
Nandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana, talohan'ny fihetsiketsehana, dia nanambara ny filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa nahitana fitomboany 66% tao anatin'ny 6 taona ny tahan'ny famokarana herinaratra eto amin'ny Nosy, tarehimarika izay nolavin'ny mpanao fihetsiketsehana[7].
Antony ara-pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Nitranga tao anatin'ny kihon-dalana ara-pôlitika manohitra ny maha ara-dalàna ny filoha Andry Rajoelina ny fihetsiketsehana, izay tsy nankasitraka ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2023 ny ankamaroan'ny mponina noho ny tsy tokony maha kandidà azy na efa nekena.
Nanomboka herinandro taorian'ny fisamborana nataon'ny polisy nasionaly tamin'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevim-pitananana ny kaominina Antananarivo: Alban Rakotoarisoa sy Clémence Raharinirina, avy amin'ny vondrona mpanohitra Firaisankina ny hetsi-panoherana, taorian'ny fitoriana nataon'ny Antenimierandoholona noho ny fidirana an-tsokosoko ary napetraka eo ambany fifehezan'ny fitsarana ny ampitson'izay[8].
Zava-misy manodidina
[hanova | hanova ny fango]Talohan'ny hetsi-panoherana, tamin'ny 24 Septambra 2025 dia namoaka fampitandremana ny tompon'andraikitra ambony ao amin'ny État-major Mixte Opérationnel National (na Emmo-Nat) tamin'ny alalan'ny fanambaràna natao tamin'ny fahitalavi-pirenena TVM, manoloana ny fikasana hanao fihetsiketsehana amin'ny 25 Septambra. Ny général de division Jean Herbert Andriantahiana Rakotondrazaka, komandin'ny Zandarimariam-pirenena, dia nanao ny fivoriana hanoherana ny fahatapahan' ny herinaratra, izay nomanina hatao eny Ambohijatovo ho "fandikan-dalàna satria tsy nahazo alalana ôfisialy", sady nilaza momba ny "mety hitarika ny fitomboan'ny herisetra" izy[9].
Tamin'io andro io dia tsy teto Madagasikara ny filoha Andry Rajoelina sy ny delegasiony, fa lasa tany New York namonjy ny fivoriana faha-80 amin' ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana. Betsaka koa ny manam-pahefana lasa tany Maorisy.
Fizotry ny hetsika
[hanova | hanova ny fango]Herinandro voalohany
[hanova | hanova ny fango]25 Septambra 2025
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tamin'ny 25 Septambra 2025 ny hetsi-panoherana izay noeritreretina hatomboka teo amin'ny kianjan'ny demokrasia taloha, na koa MDRM Ambohijatovo afovoan-tanànan'Antananarivo. Na izany aza, nosakanan'ny mpitandro filaminana nanomboka vao mangirandratsy anefa io kianja io, ka nanakanana ny fivoriana izay nokasaina hatao. Na dia izany aza dia niely manerana an'Antananarivo sy manerana ny Nosy manontolo ny hetsi-panoherana.
Nihamafy vokatry ny fanoherana sy ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana ny fihetsiketsehana izay nilamina tamin'ny voalohany. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso sy bala tena izy ary nampiasa fiaram-panafihana avy amin'ny tafika an-tanety ny mpitandro filaminana mba hanaparitahana ny mpanao fihetsiketsehana[10].
Vokatr'izany fanakanana izany dia nitombo be ny fitakiana, nivaha ny olana momba ny fahatapahan'ny herinaratra tany amin'ny faritra sasany ary nisy ihany koa ny fitakiana momba ny fangaraharan'ny tetibolan'ny fanjakana, ny ady amin' ny kolikoly, ary hatramin' ny fialan'ny filoha Rajoelina amin'ny toerany.
Efa ho 400 ny isan' ny maratra tamin'ny fiafaran'ny hetsi-panoherana, izay nentina maika tany Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona eny Ampefiloha[11].
Tamin'ny fiafaran'ny hetsi-panoherana, betsaka tamin' ny mpitandro filaminana izay nampiasaina hiambina ny Lapan'ny Tanàna no nandao io toerana io haingana[12].
Vokatr'izany, nametraka ny tsy fahazoana mivezivezy amin' ny alina izay manomboka amin' ny 26 Septambra, amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina[13] ny prefen'ny pôlisin'Antananarivo, Angelo Ravelonarivo. Nanaraka an' izany koa ny tanàn-dehibe hafa: amin' ny 8 ora hariva hatramin'ny 4 ora maraina ny any Mahajanga ary amin' ny 7 ora hariva hatramin'ny 4 ora maraina any Antsirabe.
26 Septambra
[hanova | hanova ny fango]Ny andron'ny 26 Septambra, nisongadinan ny fandraisana anjara amin' ny fanarenana nataon'ny andaniny sy ny fitomboan' ny fandravana ankilany.
Tamin' ny 4 ora hariva, nisy ny fanambarana momba ny fahafatesan'i Jean-Jacques Rabenirina, solombavambahoakan'i Betioky Atsimo izay avy amin'ny vondrona mpanohitra Firaisankina sy sojaben'ny Antenimierampirenena, vokatry ny lozam-piarakodia nahazo azy teny Andoharanofotsy.
Tamin'ny kabary natombony tamin'ny 7 ora sy sasany hariva, dia nanambara ny fanesorana amin' ny toerany an'i Jean-Baptiste Olivier, ministry ny Angovo sy ny Akoranafo i Rajoelina Andry tany New York, satria "tsy natanteraka ny andraikitra" ity minisitra ity. Nanameloka ny herisetra niseho taorian'ny fihetsiketsehana ihany koa i Rajoelina ka nanao izany ho "hetsika fanakorontanana"[14].
27 Septambra
[hanova | hanova ny fango]Nitohy ny fivorian'ny mpanao fihetsiketsehana tao Antananarivo tamin'ny 27 Septambra, ary ny sasany tamin'izy ireo dia nitondra satroka jobo miloko ho mariky ny firaisankina[14].
Efa nanana toetra mampiavaka ny mpianatra amin' ny ambaratonga ambony sy ny mpianatra ambaratonga faharoa ity hetsi-panoherana ity, tamin'ny fivoriana natao tamin'ny tanàn-dehibe enina eto Madagasikara. Nabaribarin' ny tanora mpanao fihetsiketsehana ny fahasahiranana ara-pivelomana mahazo azy ary notakiany ny zo hanana fepetra fianarana ara-drariny, indrindra fa hanana fahafahana mitovy amin' ny an' ny zanaky ny mpitondra izay mianatra any ivelany.
Tao Antananarivo dia nampiasa basy AK-47 sy etona mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana mba hanakanana ny mpanao fihetsiketsehana manerana ny Arabe Jeneraly Charles-de-Gaulle eny Tsiadana, hatrany amin'ny toeram-pianarana Ankatso eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nampitombo ny fahatezerana ity famaizana ity noho ny fisian'ny hôpitaly tsy miankina "Mpitsabo Mikambanana 24/24" eo amoron'ity lalana ity, hôpitaly anisan'ny tsara fandraisana indrindra eto amin'ny firenena[15].
Tany Antsiranana kosa dia nahery vaika kokoa ny famaizana, ary nahafaty mpianatra iray izay lavon' ny bala.
29 Septambra
[hanova | hanova ny fango]Niantso fanaovana fihetsiketsehana faobe ny fikambanan' ny mpianatra, ary nitaky ny famotsorana ny mpanao fihetsiketsehana voasambotra tamin'ny 27 Septambra, ankoatra ny fanehoan-keviny voalohany momba ny fahatapahan' ny rano sy ny herinaratra[16]. Rehefa niala avy tao amin'ny Oniversiten' Antananarivo mankany amin' ny manodidina an' Ambohijatovo ny vondron' ny mpianatra, dia nosakanan' ny mpitandro filaminana, izay niezaka nandrava sy nanosika azy ireo hiverina tamin' ny alalan' ny etona mandatsa-dranomaso. Nanomboka nitaky ny fialan' i Rajoelina ihany koa ny mpanao fihetsiketsehana[17].
Rehefa nitohy ny fihetsiketsehana, dia nanambara i Rajoelina fa handrava ny governemanta notarihin' ny praiminisitra Christian Ntsay, ary nanome fe-potoana telo andro hanendrena praiminisitra vaovao[18][19]. Nosamborin' ny mpitandro filaminana ny solombavambahoaka Antoine Rajerison[17]. Novana manomboka amin' ny 8 ora alina ka hatramin' ny 4 ora maraina ny ora famerana ny fivezivezena ao Antananarivo[20].
Araka ny filazan' ny filohan'ny Vaomieran' ny Firenena Mikambana misahana ny Zon' olombelona, Volker Türk dia olona 22 no maty ary 100 no naratra nandritra ny fihetsiketsehana, anisan'izany ireo matin' ny mpitandro filaminana sy ireo matin'ny fandrobana sy herisetra nataon'ny mpandroba sy ny andian-jiolahy. Nolavin'ny Ministeran' ny Raharaham-bahiny Malagasy ireo tarehimarika ireo[21].
30 Septambra
[hanova | hanova ny fango]Nanao antso famoriam-bahoaka iray hafa ao Antananarivo manomboka amin' ny 11 ora maraina (ora malagasy) ny mpanao fihetsiketsehana[22]. An'arivony ny mpanao fihetsiketsehana tafavory tao amin' ny Kianjan' Ambohijatovo ao Antananarivo, ka ny sasany tamin' izy ireo dia avy any amin' ny tanàna any amin' ny faritany tonga manokana mba hanatevin-daharana ny hetsika[23].
Tamin' ny tranga iray, nosakanan' ny mpanao fihetsiketsehana ny fiaran' ny filohan' ny Antenimieran-doholona Richard Ravalomanana, ka niala tao anaty fiara izy ary nanenjika azy ireo an-tongotra[24]. Nisy koa tatitra momba ny herisetra natao tamin' ny mpanao gazety, anisan' izany i Mendrika Razafindratsima sy i Leonardjo Andriamparany, izay nokapohin' ny mpitandro filaminana avy amin' ny GSIS tamin' ny tolakandro tao Ambohijatovo[25].
1 Oktobra
[hanova | hanova ny fango]Niely tany amin' ny tanàna sy tanàn-dehibe hafa ny fihetsiketsehana, anisan' izany i Toliara, eo amin' ny 925 km atsimon' Antananarivo. Nampangain' ny governemanta ho nanao fandravana sy mikotrika fanonganam-panjakana ny mpanao fihetsiketsehana. Nanambara ny mpitarika ny mpanohitra Rivo Rakotovao fa tsy hiditra amin' ny governemanta izay ho eo ambany fitarihan-dRajoelina ny antokony sy ny mpiara-dia aminy, ary nitaky ny tokony hialan' ity filoham-pirenena ity amin' ny toerany[26].
Nanomboka niditra tamin' ny fihetsiketsehana ny sendikà, ary nisy ny antso hanaovana fitokonana faobe. Ny fihetsiketsehana tamin' ny 1 Oktobra dia voafehin' ny mpitandro filaminana kokoa, ary nihena be ny herisetra raha oharina amin' ny andro teo aloha[27][28]. Nifampidinika tamin' ny diplômaty vahiny tao amin' ny Lapan' ny filoham-pirenena eny Iavoloha i Andry Rajoelina tamin' ny 1 Oktobra, ary nilaza i Lova Ranoromaro, mpitondra tenin' ny filoham-pirenena, fa niparitaka be ny mpanao fihetsiketsehana ary "tsy mbola nisy mpitarika mazava hita”[28]. Nanomboka nanambara ny vondrona maro mpomba an-dRajoelina fa hanao fihetsiketsehana hanoherana fihetsiketsehana izy ireo[29].
Herinandro faharoa
[hanova | hanova ny fango]5 Oktobra
[hanova | hanova ny fango]Anjatony vitsy monja ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fihetsiketsehana, ambany lavitra noho izay nirian-dRajoelina. Saika tsy nisy akory tamin’ izy ireo no nitafy akanjo misy ny sarin-dRajoelina[30].
7 Oktobra
[hanova | hanova ny fango]Nampiasa etona mandatsa-dranomaso tamin' ny mpanao fihetsiketsehana an-jatony ny mpitandro filaminana. Nosakanan' ny sakana iray ny diabe. Lehilahy iray no nampidirina hôpitaly. Nitsikera ny mpitandro filaminana sy ny fampiasana bala tena izy ny Firenena Mikambana[31].
8 Oktobra
[hanova | hanova ny fango]Niantso fifampiresahana Rajoelina, saingy nolavin' ny mpanao fihetsiketsehana izany raha mbola ampiharina ny famoretana ny fihetsiketsehana[32].
Herinandro fahatelo
[hanova | hanova ny fango]9 Oktobra
[hanova | hanova ny fango]Nampiasaina tamin' ny mpanao fihetsiketsehana ny grenady manaitra sy ny etona mandatsa-dranomaso ary ny bala fingotra[33].
11 Oktobra
[hanova | hanova ny fango]Nisy ampahany tamin' ny tafika an-tanety, ny Corps d’administration des personnes et des services de l’Armée de terre (na CAPSAT), ilay vondrona izay nitarika ny fanonganam-panjakana tamin' ny 2009 — nanao fikomiana ary niaraka tamin' ny mpanao fihetsiketsehana tamin' ny fiarovana azy ireo amin' ny tifitra sy daroka baomba nataon' ny zandary. Niantso ny tafika rehetra mba "hitsangana hiaraka amin' ny vahoaka" sy handà ny endrika kolikoly rehetra ny fitarihan' ny CAPSAT[34].
Noho io fandraisana andraikitra lehibe io, taorian' ny telo herinandro nisesy nanaovana hetsika, dia tafiditra teo amin' ny tokotanin' ny Lapan' ny Tanàna, fantatra ihany koa amin' ny hoe "Kianjan' ny 13 Mey 1972" na "Kianjan' ny Demôkrasia" ny mpanao fihetsiketsehana. Avy eo dia voalaza fa nandositra an' Antananarivo ny filoha Andry Rajoelina mba hitady fialofana tany Mahajanga, ary hita teny amin' ny seranam-piaramanidina Philibert-Tsiranana ny fiaramanidiny manokana, na dia teo aza ny antson' ny CAPSAT hanao fanakatonana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo-Ivato.[35]
Tamin' ny hariva dia nilaza ny Fiadidiana ny Repoblika fa mbola eto amin' ny tanin' i Madagasikara ihany Rajoelina, ary nanomboka nihanalefaka fihenjanan' ny toe-draharaha tao Antananarivo ary niparitaka ny mpanao fihetsiketsehana. Na izany aza dia tsy nisy intsony ny fampiasan-kery avy amin' ny mpitandro filaminana na avy amin' ny tafika hitandroana filaminana[36]. Nisy miaramila iray, niandany tamin' ny mpanao fihetsiketsehana, matin' ny fifandonana tamin' ny zandary.
I Mamy Ravatomanga, niaraka tamin' ny praiminisitra teo aloha Christian Ntsay, dia voalaza fa nandositra nankany Maorisy tamin' ny 9 ora alina tao anaty fiaramanidin' ny orinasany manokana. Noho ny fandehanana tampoka dia tsy mbola nahazo alalana hipetrahana ao amin' ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Sir-Seewoosagur-Ramgoolam ao Maorisy ilay fiaramanidina ka voatery niandry teo amin' ny habakabaka nandritra ny antsasak' adiny iray teo ho eo vao nahazo fankatoavana avy amin' ny manampahefana maorisiana[37].
12 Oktobra: fikomian' ny CAPSAT
[hanova | hanova ny fango]Nanambara ny CAPSAT fa mandray ny fifehezana tanteraka ny tafika, ka mampiray ny hery mitam-piadiana rehetra, anisan' izany ny zandary sy ny polisim-pirenena, hanohana ny raharaha ijoroan' ny mpanao fihetsiketsehana. Nanameloka ny fikasana hanao fanonganam-panjakana ny filoha Andry Rajoelina any Mahajanga, sady nilaza hoe: "misy ezaka haka fahefana tsy ara-dalàna amin' izao fotoana izao"[38].
Etsy ankilany, ny Antenimieran-doholona dia nanisotra ny filohany, Richard Ravalomanana, izay efa nandositra nankany Dubai ny omalin' io andro io.
14 Oktobra 2025
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny 14 Oktobra 2025 dia namoaka didy fandravana ny Antenimieram-pirenena ny filoha Andry Rajoelina, indray andro taorian'ny nandosirany tany amin'ny toerana tsy fantatra, ary nilaza fa natahotra ny ainy izy taorian'ny fikomiana nataon'ny miaramila. Tsy nanaiky ny didy navoakan-dRajoelina ny Antenimieram-pirenena ary nanao latsa-bato nahafahana nanilika azy, fa nilaza kosa ny miaramila fa efa nandray ny fahefana.
Asa fanimbana nifanindran-dalana
[hanova | hanova ny fango]Nisy nandoro nandritra ny hetsi-panoherana, ny trano fonenan'ny solombavambahoka Naivo Raholdina sy ny an'ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy[10].Tsena maro koa no voaroba, anisan'izany ny Super U izay tantanan'ny Habibo, ny talen' izany, ilay frantsay-malagasy Malik Karmaly dia malaza ho akaiky ny fitondrana ary arovan'ny Fanjakana amin'ny fiampangana kolikoly. Ny orinasa maro ao amin' ny vondrona Inviso sy ao amin' ny vondrona Talys, izay samy akaikin' ny antokon'ny mpitondra, no tena niharam-pahavoazana tamin'ny hetsika.
Tamin'ny faran'ny andro dia nisy halatra sy fandravana, anisan'izany ny fandoroana ny tobin'ny teleferika eo Ankorondrano[39].
Fanehoan-kevitra
[hanova | hanova ny fango]Eto an-toerana
[hanova | hanova ny fango]Nahatezitra ny Malagasy sy nampitroatra azy ireo ny fampiasana hery, anisan'izany ny fanetsehana ny fiara mifono vy mitondra tafondro sy ny fampiasana bala tena izy.
Fahasimbana vokatry ny hetsika
[hanova | hanova ny fango]Ny fanimban-javatra dia nahitana ny fandoroana ny trano fonenan'ny solombavambahoaka Naivo Raholdina sy ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy, ny fandoroana ny tsena Super U maro sahanin'ny Habibo, ary koa ny tobin'ny teleferika eo Ankorondrano[39]. May ihany ny tsena maro tao amin'ny Tana Water Front[40] ary ny tsena lehibe "China Mall" ao Ankazomanga izay nisokatra vao haingana ary tantanin'ny Sinoa.
Nisy ny fandrarana ny fivezivezena amin' ny alina napetraka hatramin'ny 26 Septambra manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina tao Antananarivo, amin'ny 8 ora hariva hatramin'ny 4 ora sasany maraina tao Mahajanga ary amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 4 ora maraina any Antsirabe[13].