Aller au contenu

Heterôdôksia

Avy amin'i Wikipedia

Ao amin' ny fivavahana, ny heterôdôksia dia hevitra na fotopampianarana mifanohitra amin' ny fotopampiabarana ôfisialy na ôrtôdôksa. Avy amin' ny teny grika taloha hoe: ἕτερος / héteros, "hafa", sy δόξα / dóxa, "finoam-bahoaka", ny teny hoe heterôdôksia. Amin' ny heviny ara-bakiteny, izany dia midika hoe "izay misaina amin' ny fomba hafa (mifanohitra amin' ny fomba mahazatra sy manjaka).

Ny heterôdôksia dia voambolana teknika, faritan' ny fivavahana sy fiangonana samihafa amin' ny fomba isan-karazany. Ohatra, amin' ny vondrona sasany, ny heterôdôksia dia mety mamaritra finoana izay tsy mitovy fomba fijery amin' ny ôrtôdôksia, saingy tsy mitovy amin' ny finoan-doso (heresia). Ao amin' ny sehatry ny fivavahana, indrindra ao amin' ny kristianisma, no misy dikany lehibe ny teny hoe "heterôdôksa". Rehefa lasa laîka anefa ny Tontolo Tandrefana, dia mihatra amin' ny sehatra samihafa io teny io.