Hery fiarovana

Ny hery fiarovana ao amin' ny zavamananaina dia rafitra biôlôjia voaforon' ny fitambaran' ny singa famantarana sy fiarovana izay manavaka ny tena sy ny tsy tena. Potehina izay fantatra fa tsy ny tena.
Miaro ny zavamananaina amin' ny otrikaretina izy: viriosy, bakteria, katsentsitra, poti-javatra na molekiola "vahiny" sasany (anisan' izany ny poizina sasany), ary koa ny selam-pivontosana amin' ny homamiadana. Mety hitarika amin' ny fandavana ny famindrana taova sy amin' ny aretina vokatry ny fiasan' ny hery fiarovana izany.
Nolovaina hatrany am-bohoka izy io, saingy mahaleo tena sy mampifanaraka ny fiasany amin' ny zava-misy, avy eo dia mivoatra araka ny fifandraisana misy azy amin' ny mikrôba na ny akora misy eo amin' ny tontolo iainana vahiny ho an' ny vatana.
Misy karazany maro ny hery fiarovana eo amin' ny karazam-biby, ary amin' ny ankapobeny dia misy hery fiarovana maromaro no miara-miasa ao anatin' ny zavamananaina iray.
Ho an' ny karazana maro, anisan' izany ny biby mampinono, dia misy sosona telo ny hery fiarovana. Tena mandray anjara amin' izany ny sela fiarovana antsoina hoe sela fotsy vokarin' ny sela fototra ao anatin' ny tsoka mena. Tsy manakana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa manan-danja eo amin' ny sosona telo izany rafitra telo sosona izany:
- ny sakana ataon' ny temitra, toy ny fiarovana ny hoditra sy ny hodimando, ny asidran' ny vavony;
- ny fiarovana tsy voafaritra na voajanahary azo avy amin' ny sela fiarovana amin' ny rojon-tsela ao amin' ny tsoka;
- ny fiarovana manokana avy amin' ny sela fiarovana ao amin' ny rojon-tsela fotsy. Manohitra ny otrikaretina ivelan' ny sela ny fiarovana amin' ny alalan' ny ranoka noho ny fisian' ny mpisetra manokana, prôteinina vokarin' ny sela fotsy B. Manohitra ny otrikaretina anaty sela, izay anjaran' ny sela fotsy T, ny fiarovan' ny sela. Tsy misy afa-tsy amin' ny biby manana hazondamosina ity sosona farany ity.
Antsoina hoe ny setrim-piarovana ny fanairana ny hery fiarovana ho setrin' ny fahafantarana ny tsy-tena, na mahery setra na tsia, eo anatrehan' ny fanafihana na ny fahasimban' ny fiasan' ny zavamananaina.
Ny fitambaran' ireo hery fiarovana rehetra ireo (anisan' izany mandritra ny fanaovam-baksiny) no ahafahan' ny hery fiarovana hanao ny asany amim-pahombiazana. Miharatsy anefa izany rehefa mandroso ny taona (fahanteran' ny hery fiarovana).