Hermesy (andriamanitra)
Fiseho

I Hermesy dia iray amin' ny andriamanitra tao Ôlimpôsy tao amin' ny fivavahana grika fahiny. Izy no iraky ny andriamanitra, indrindra fa i Zeosy, mitovy amin' i Irisy, ary mpanelanelana azy ireo amin' ny olombelona. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἑρμῆς / Hermễs, fa Ἑρμᾶς / Hermãs kosa amin' ny teny dôriana.
Mpanome vintana, mpamorona ny vatomizana sy ny fandrefesana, mpiambina ny lalana sy ny sampanan-dalana, izy no andriamanitry ny mpandeha, ny mpiandry ondry, ny mpivarotra, ny mpangalatra ary ny mpikabary. Izy no mitarika ny fanahy ho any amin’ ny Fanjakan' i Hadesy.
Nitana toerana manan-danja amin' ny fedrà grika izy io, miseho amin' ny fedrà maro. Ny mitovy amin' ny amin' ny fivavahana rômana dia i Merkiora.