Herisetra mianjady Amin'ny mpianatra any an-tsekoly

Ny herisetra mianjady amin'ny mpianatra an-tsekoly dia ahitana ny fihetsika na fitondran-tena manimba rehetra, na ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po na ara-tsosialy, mihatra amin'ny mpianatra. Ireo hetsika ireo dia mety ataon'ny mpampianatra, mpiara-mianatra na olon-kafa any an-tsekoly. Anisan'izany ny daroka, fampijaliana, fanorisorenana ara-nofo, fanilikilihana ary cyberbullying.
Tarehimarika ao Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]
Araka ny tatitry ny UNICEF, mpianatra 1 amin’ny 2 ao Madagasikara no mitatitra fa niaina herisetra tany an-tsekoly.[1]
- 89% amin'ny ankizy no milaza fa voa daroka na voasazy ara-batana ao an-trano
- 29% amin'ny tanora no mihevitra fa azo ekena any an-tsekoly ny fanasaziana ara-batana.[2]
Vokany hoan'ny mpianatra
[hanova | hanova ny fango]Ny herisetra an-tsekoly dia misy fiantraikany manimba ao anatin'ny fotoana fohy sy maharitra:
- Mihena ny fiheveran-tena ary Misy ny tebiteby eo amininy.
- Ny fahaketrahana.
- Tsy liana amin'ny fianarana ary mety hitarika amin'ny fijanona amin'ny fianarana.
Fikorontanana ara-tsaina ka mety hanimba ny fifandraisany amin'ny hafa.vokatry ny herisetra
Ny Fikambanana manerantany momba ny Fahasalamana (OMS) dia mitatitra fa ny herisetra atao amin’ny ankizy dia mety hiteraka fahasimbana maharitra eo amin’ny fivoaran’ny atidoha sy ny saina, ka hisy fiantraikany amin’ny fahasalamany amin’ny ankapobeny.[3]
Fepetra fisorohana
[hanova | hanova ny fango]Fomba maro no ampiharina mba hisorohana ity herisetra ity:
Fanabeazana sy fanentanana:fanentanana tsy hanao herisetra an-tsekoly
Fampianarana ny zon'ny ankizy sy ny tsy fanaovana herisetra manomboka amin'ny fahazazana.[4]
- Fanofanana mpampianatra: Fahazoana fahaiza-manao amin'ny fitantanana ny efitrano fianarana tsy misy herisetra.
- Fametrahana rafitra fihainoana: Mamorona toerana azo antoka ho an'ny mpianatra hitatitra ny fanararaotana.
- Fampiharana ny lalàna: Fanamafisana ny sazy ho an’ireo mpanao herisetra.[5]
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://mg.globalvoices.org/2018/07/05/122133/
- ↑ https://www.unicef.org/madagascar/media/136/file/Rapport%20Etude%20sur%20la%20violence%20contre%20les%20enfants%20%28Rapport%20complet%29.pdf?
- ↑ https://www.who.int/news-room/fact-sheets/detail/violence-against-children??
- ↑ https://www.unicef.org/madagascar/programme/protection-enfant
- ↑ https://www.unicef.org/madagascar/programme/protection-enfant?