Henri Randzavola
I Henri Randzavola dia mpitandrina protestanta, mpampianatra, mpanoratra ary mpikaroka malagasy. Teraka tao Fianarantsoa tamin’ny 5 Novambra 1873 izy ary nodimandry tao Antananarivo tamin’ny 21 Desambra 1953, teo amin’ny faha-80 taonany. Nandritra ny androm-piainany izy nandray anjara tamin’ny fampianarana, ny fiainan’ny Fiangonana protestanta, ny literatiora ary ny fikarohana momba ny teny sy ny kolontsaina malagasy. Maro ny solon'anarana nentiny tamin'ny naha-mpanoratra azy, toy ny hoe Andriamahefa Henri[1], Historicus, Ntaolozandriny, Posterior ary FNT[2].
Fahazazana sy fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]I Henri Randzavola dia zanak’i Andriamahefa folo voninahitra sy Rasoamihaja. Teraka tao Fianarantsoa teraka tao Fianarantsoa tamin’ny 5 Novambra 1873, ary lehibe tao anatin’ny tontolo Betsileo[3]. Lahy tokana tao anatin’ny valo mianadahy izy. Nanana fifandraisana akaiky tamin’ny tontolo ara-pivavahana sy ara-panabeazana izy hatramin’ny fahazazany. Izany no nanomana azy hiditra tao amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny asa kristianina tatỳ aoriana.
Fianarana
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ny taona 1880, nanomboka nianatra tao amin’ny Normal-School tao Ambalanjatovo, Fianarantsoa i Henri Randzavola. Naharitra hatramin’ny taona 1889 ny fianarany tao. Tamin’ny taona 1889 izy nifindra tany Antananarivo ary nanohy ny fianarany tao amin’ny sekolin’ny FFMA tao Ambohijatovo. Nahavita ny fianarany tao izy tamin’ny taona 1893. Nandritra ny fianarany izy nahafehy ny teny anglisy. Io fahaizana io no nanampy azy tamin’ny asa nataony taty aoriana, indrindra tamin’ny fandikana teny sy ny fifandraisana tamin’ireo misionera vahiny[4].
Ny asany
[hanova | hanova ny fango]Fiandohan'ny asa
[hanova | hanova ny fango]Ny taona 1893, tamin'ny faha roapolo taonany, rehefa nahavita ny fianarany tao Ambohijatovo izy, dia nanomboka niasa ho mpandikateny tany Tsaratanàna sy Lanihay Andilamena, tanàna fitrandrahana volamena. Taty aoriana dia nisehatra tamin'ny fampianarana sy fitondrana fiangonana tany amin’ny faritr’i Betsileo izy[4].
Ny asany teo amin’ny Fiangonana
[hanova | hanova ny fango]Ny taona 1923, lasa mpitandrina tao amin’ny fiangonana Ambonin’ampamarinana i Henri Randzavola. Tsy nandalo ny fiofanana teolojika mahazatra tao amin’ny Collège d’Ambohipotsy anefa izy, fa nandalina ny teolojia tamin’ny alalan’ny fianarana samirery, ny famakiana boky ary ny traikefa azony teo amin’ny asa pastoraly[4].
Ny taona 1925, voatendry ho Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana Kristiana Tovolahy, niaraka tamin’i Beigbeder izy, izay niova ho Union Chrétienne de Jeunes Gens taty. Tamin’io fotoana io ihany koa dia niasa tamin’ny fikambanana kristiana maro izy ary nandray andraikitra tamin’ny fampielezana ny Baiboly. Efa niasa ho sekretera malagasin’ny Comité Intermissionnaire izy mandra-pahafatiny. mpitari-draharaha tao amin’ny Isanenimbolan’Imerina sy tao amin’ny Isankerintaonan’ny LMS koa izy, ary mpitari-draharahan’ny Fikambanana Mampiely Baiboly[2]. Efa voatendry ho tonia tao amin’ny Antenimiera nikarakara ny boky “Fihirana” izy. Mbola teo am-panatanterahana izany asa izany izy no nodimandry.
Ankoatra ny maha-mpitandrina azy dia nampianatra tao amin’ny École Paul Minault sy tao amin’ny kolejin'ny misionera LMS tao Ambohijatovo ihany koa izy[4].
Henri Randzavola sy ny literatiora
[hanova | hanova ny fango]Tsy nifantoka tamin’ny fivavahana ihany ny asa soratr’i Randzavola. Nanoratra momba ny tantara, ny teny malagasy, ny fomba amam-panao, ny literatiora, ny tononkalo ary ny kolontsaina Betsileo izy. Nampiasa solon’anarana maromaro izy, ka isan’izany ny Andriamahefa Henri, Historicus, Ntaolozandriny, Posterior ary FNT. Nandray anjara tamin’ny gazety sy boky maro izy, anisan’izany ny Ny Teny Soa, Ny Mpamafy, Ny Mpanolo-tsaina, Fiainana ary Firaketana. Ny teny gasy sy ny teny frantsay no nampiasainy tamin'ny fanoratany[2]. Ny taona 1947 dia nanoratra momba ny literatiora malagasy tao amin’ny Encyclopédie coloniale i Henri Randzavola[4].
Ny asa sorany
[hanova | hanova ny fango]Maro araka izany ireo asa soratra nahafantarana an'i Henri Randzavola. Santionany amin'izany ireto manaraka ireto :[4]
"Itovohery"
[hanova | hanova ny fango]Navoaka tamin’ny 1913 ny Itovohery. Anisan’ireo asa soratra voalohany mifandray amin’ny anaran’i Randzavola izy io[4].
"Teolojia tsotsotra"
[hanova | hanova ny fango]Nivoaka tamin’ny 1918 ny Teolojia tsotsotra. Natao hanazavana amin’ny fomba mora takarina ny foto-kevitra fototra momba ny teolojia kristianina izy io[5]. Nizara ho bokikely telo ny asa[2].
"Voasarin’i Namehana"
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ny 1928 dia nandeha tany Jerosalema i Henri Randzavola, nisolo tena ny Protestanta Malagasy tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny asa misionera. Nitsidika an’i Palestine sy firenena eoropeanina maro (toy Frantsa, Angletera ary Soisa) izy nandritra izany dia izany. Nentiny tao amin’ny Voasarin’i Namehana ny zavatra hitany sy niainany nandritra ny diany[4]. Ny taona 1933 no nivoaka ny Voasarin’i Namehana[5].
"Fomba malagasy"
[hanova | hanova ny fango]Navoaka tamin’ny 1933 ny Fomba Malagasy[5]. Miresaka momba ny fomba amam-panao sy ny fiainan’ny Malagasy izy io ary anisan’ireo boky nanan-danja teo amin’ny fandraketana ny kolontsaina malagasy[4].
"Diksionera amin’ny Baiboly"
[hanova | hanova ny fango]Niara-niasa tamin’i W. Evans i Randzavola tamin’ny fanomanana ny Diksionera amin’ny Baiboly. Nandray anjara tamin’ny fampiroboroboana ny voambolana ara-baiboly sy ara-teolojika amin’ny teny malagasy izy tamin’izany[2].
Ny asa fanaovan-gazety
[hanova | hanova ny fango]I Henri Randzavola dia nanoratra lahatsoratra maro tao amin'ny gazetim-pinoana toy ny tao amin’ny Teny Soa, Fiangonana sy Sekoly, Mpamafy, Mpanolontsaina, Mpandinika (MPF), Ranovelona (FFMA) ary Fanilon’ny Tanora izy. Tao amin’ny Ny Mpanolo-tsaina indrindra no nahitana lahatsoratra maro nosoratany momba ny fivavahana, ny tantara, ny teny ary ny fiarahamonina[2]. Ny 6 Oktobra 1928 no nananganana ny gazety “Fiainana” ka anisan'ny nanorina izany izy. Nampiasaina hampitana fampianarana sy vaovao mifandraika amin’ny fiainana kristiana sy ny fiangonana io gazety io[4]. Ny janoary 1937 dia isan’ireo mpandray anjara tamin’ny fanombohana ny "Firaketana ny fiteny sy ny zavatra malagasy", izay natao hanangonana sy hitahirizana ny fahalalana momba ny teny sy ny kolontsaina malagasy[4].
Ny fandalinana ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Anisan’ny sehatra nitsorohan’i Randzavola ny teny malagasy. Nandinika ny tsipelina sy ny voambolana ary ny fomba fampiasana ny teny izy. Tamin’ny 1932 dia namoaka lahatsoratra momba ny tsipelina amin’ny teny malagasy, indrindra ny fampiasana ny mpamaritra anarana voafaritra. Nampiasa ny fanoratana hoe Randzavola ihany koa izy, izay maneho ny fomba fijeriny manokana momba ny fifandraisan’ny soratra sy ny fanononana amin’ny teny malagasy. Ny fandraisany anjara tamin’ny Firaketana sy ny Diksionera amin’ny Baiboly dia nanampy tamin’ny fanangonana sy fandaminana voambolana maro tamin’ny teny malagasy[4].
Ny kolontsaina betsileo
[hanova | hanova ny fango]Nanokana ampahany lehibe tamin’ny asany ho an’ny kolontsaina betsileo i Randzavola. Nandalina ny tantara, ny fomba amam-panao, ny fiteny ary ny literatiora betsileo izy. Tamin’ny 1925 dia namoaka ny "Spécimen de poésie betsileo" tao amin’ny Bulletin de l'Académie Malgache (boky faha VIII) izy. Nandalina ihany koa ny fomba fandevenana sy ny fomban’ny fiarahamonina betsileo izy. Ireo asa ireo dia anisan’ny nanampy tamin’ny fandraketana an-tsoratra ireo fomba sy lova ara-kolontsaina izay nampitaina am-bava hatramin’izany[4].
Ny Akademia Malagasy
[hanova | hanova ny fango]I Henri Randzavola dia mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy ary nanoratra momba ny teny malagasy sy ny kolontsaina malagasy tao amin’ny gazety akademika. Noho ny fikarohana nataony momba ny teny malagasy dia novainy ny fanoratana ny anarany, ka Ranjavola lasa Randzavola[4].
Fankasitrahana sy mari-boninahitra
[hanova | hanova ny fango]Tamin’ny 1946 dia nahazo ny mari-boninahitra "Légion d’honneur" i Henri Randzavola ary notendrena ho Chevalier[4]. Nisy ny marika hitan'ny besinimaro ho fahatsiarovana azy dia ny nanendrena lalana mitondra ny anarany, izay hita eny Ankadibevava Andafiavaratra, 18° 55' 14" S, 47° 31' 54" E, mirefy 215 metatra. Boriboritany faha-2 no misy azy[6][7].
Fahafatesany sy lova navelany
[hanova | hanova ny fango]Nandritra ny taona farany niainany dia mbola nanohy nandray anjara tamin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ny asa soratra i Randzavola. Nodimandry tao Antananarivo izy ny alin'ny 21 Desambra 1953, teo amin’ny faha-80 taonany[2]. Nankalazaina ny taona 2023 ny faha 150 taonan'ny nahaterahany.[8]
Ny lova navelan’i Henri Randzavola dia hita amin’ny sehatra maro. Teo amin’ny Fiangonana dia mpitandrina sy mpampianatra izy. Teo amin’ny fanabeazana dia nandray anjara tamin’ny fampianarana sy ny fananganana tanora kristianina izy. Teo amin’ny literatiora dia namokatra boky sy lahatsoratra maro izy. Teo amin’ny teny malagasy dia nandray anjara tamin’ny fandinihana ny tsipelina, ny voambolana ary ny fandraketana ny teny izy. Teo amin’ny kolontsaina kosa dia nanangona sy nandrakitra ny fomba amam-panao, ny tantara ary ny literatiora, indrindra ny an’ny Betsileo. Noho izany, Henri Randzavola dia anisan’ireo manam-pahaizana malagasy nampifandray ny fivavahana, ny fanabeazana, ny literatiora ary ny fandalinana ny teny sy ny kolontsaina tamin’ny tapany voalohan’ny taonjato faha-20[4][2].
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ https://tenymalagasy.org/bins/pseudonyms
- 1 2 3 4 5 6 7 8 https://dacb.org/fr/stories/madagascar/randzavola-henri/
- ↑ https://midi-madagasikara.mg/jubile-henri-randzavola-honore-a-lacademie-malgache/
- 1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12 13 14 15 16 https://motmalgache.org/bins/teny2/Randzavola%20Henri
- 1 2 3 https://data.bnf.fr/ark:/12148/cb120884275.pdf
- ↑ https://mg.geoview.info/lalana_randzavola_henri,29079259w
- ↑ https://rues-madagascar.openalfa.com/rues/rue-henri-randzavola-anjohy-analamanga
- ↑ https://midi-madagasikara.mg/jubile-henri-randzavola-honore-a-lacademie-malgache/