Hemicentetes

Ny Hemicentetes dia antokom-biby mampinono ao amin' ny ao amin' ny fianakaviana Tenrecidae, izay mpihnana bibikely, mitsokotsolo vava sy misy volo maranitra toa tsilo. Amin' ny teny malagasy izy ireo dia atao hoe ambiko, antsora, sora na tsora. Tsy fahita fa-tsy eto Madagasikara ireo biby ireo izay mist karazany roa. Mirefy 14 sm ny halavan' ny vatan' izy ireo. Tsy manana rambo izy ireo. Samy manana vatana voarakotra volo tsilo sy volo tsotra mainty misy tsipika mazava lava ireo karazana roa ireo.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]
Tsy manana afa-tsy karazana roa ny Hemicentetes:
- Hemicentetes semispinosus (an-tany iva)
- Hemicentetes nigriceps (an-tany avo)
Lehibe kokoa noho ny Hemicentetes nigriceps ny Hemicentetes semispinosus.
Faritra ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]
Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara ny karazana Hemicentetes roa voarakitra an-tsoratra amin' izao fotoana izao. Hita an-tany iva amin' ny ala trôpikaly amin' ny tapany atsinanan' ny Madagasikara ny Hemicentetes semispinosus fa ny Hemicentetes nigriceps kosa dia miaina an-tany avo amin' ny ala mando sy hivoka amin' ny lembalemba any amin' ny faritra afovoan' ny Nosy.