Hoalan' i Ginea

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Helodranon'i Ginea)
Hoalan' i Ginea

Ny Hoalan' i Ginea dia fari-dranomasina ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika izay miditra manandrify ny afovoan' ny kôntinetan' i Afrika. Ao atsimo andrefan' i Afrika no ahitana azy, somary ao avaratry ny fehiben-tany, ka manome lafiny mitandavana mitodika avy atsinanana miankandrefana, izay mahazo tsara ny rivotra Alizay, dia ny morontsirak' i Ginea. Ny zarahasin' i Greenwich (laharan-jarahasina 0°) sy ny fehiben-tany (laharam-pehitany 0°) dia mifanapaka amin' ny velarany ao amin' ny 570 km miala ny morontsirak' i Ganà.