Hankany amin'ny vontoatiny

Heliôma

Avy amin'i Wikipedia
Heliôma ranoka

Ny heliôma dia singa simika manana isa atômika 2, marika He. Izy io dia etona tsy fahita firy, saika tsy miasa amin' ny fiota simika, ny voalohany ao amin' ny fianakavian' ny etona tsy fahita firy ao amin' ny tabilaon-tsingerin' ny singa. Ny tebo-pangotrahany no ambany indrindra amin' ny raha rehetra fantatra, ary tsy mety mivaingana izy raha tsy iharan' ny tsindry mihoatra ny 25 atmôsfera.

Ny teny hoe heliôma dia avy amin' ny teny grika hoe Ἥλιος / Hếlios, izany hoe "masoandro", io singa io dia hitan' ilay mpahay kintana Jules Janssen voalohany tao amin' ny tara-masoandro tamin' ny 18 Aogositra 1868, nandritra ny fanakona-masoandro tanteraka.

Manana miratoerana marin-toerana roa ny heliôma: ny heliôm 4 (4He), izay betsaka indrindra, sy ny heliôma 3 (3He). Tsy mitovy toetra ireo miratoerana roa ireo, tsy tahaka ny ankamaroan' ny singa simika, satria lehibe ny tahan' ny lanja atômikany. Miresaka indrindra momba ny heliôma 4 (4He) ity lahatsoratra ity. Ny lahatsoratra Heliôma 3 no iresahana ny toetra manokan' ny miratoerana 3He.

Mitombo haingana sy isan-karazany ny fampiasana ny heliôma