Hektômetatra
Fiseho
Ny hektômetatra dia ventim-pandrefesan-kalavana ao amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenenan' ny Venty, izay hafohezina amin' ny hoe hm, mitovy amin' ny zato metatra sy ny iray ampahafolon' ny kilômetatra. Manodidina ny 1 hm ny halavan' ny kianja filalaovana baolina kitra. Ny hekitara (ha), izay ventin-belarana, dia mitovy amin' ny hektômetatra toradroa (hm2). Ny hektômetatra dia nampiasaina indraindray mba hanehoana ny halaviran' ny lasibatra iray amin' ny ady.
| Kilômetatra | 0,001 | 0,01 | 0,1 |
| Hektômetatra | 0,01 | 0,1 | 1 |
| Dekametatra | 0,1 | 1 | 10 |
| Metatra | 1 | 10 | 100 |
| Desimetatra | 10 | 100 | 1 000 |
| Santimetatra | 100 | 1 000 | 10 000 |
| Milimetatra | 1 000 | 10 000 | 100 000 |
| Mikrômetatra | 1 000 000 | 10 000 000 | 100 000 000 |