Hankany amin'ny vontoatiny

Hazomanga

Avy amin'i Wikipedia

Ny hazomanga dia tsato-kazo roa na telo mifanakaiky, atsatoka amin'ny toerana iray, izay atao hanatanterahana fianianana na sorona na fitsofan-drano. Ny mpitan-kazomanga (izay atao hoe mpisorona koa) no miandraikitra ny fikarakarana ny zavatra atao eo amin'ny hazomanga. Famantarana ny maha iray firazanana na iray fianakaviana ny hazomanga. Izany hoe maneho fiombonana amin'ny samy velona iray firazanana sy ny fiombonana amin'ny razana efa maty