Hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy

Ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, izay atao amin' ny teny hebreo hoe עֵץ הַדַּעַת טוֹב וָרָע / ʿēṣ haddaʿaṯ ṭōḇ wārāʿ, dia iray amin' ny hazo roa manokana ao amin' ny fitantarana ny Saha Edena ao amin' ny Genesisy 2–3, ka ny faharoa dia ny hazon' aina. Misy koa manam-pahaizana milaza fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia anarana hafa ilazana ny hazon' aina
Ary Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. Ary nampanirin' ny Tompo Andriamanitra tamin' ny tany izao hazo rehetra mahate-hijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon' aina tao afovoan' ny saha, ary ny hazon' ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. (Jenezy 2: 8-9, Ny Baiboly Masina)
Ao amin' ny Baiboly
[hanova | hanova ny fango]Mitantara ny Genesisy toko faha-2 fa napetrak' Andriamanitra tao amin' ny saha misy hazo maro misy voany azo hanina i Adama, nefa norarany tsy hihinana ny "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy". Andriamanitra dia namorona vehivavy iray, Eva, rehefa avy nanome io didy io. Ao amin' ny Genesisy toko faha-3, dia nisy menarana nitaona an' i Eva hihinana amin' ny voankazo voarara ary navelany hanandrana izany koa i Adama. Noho izany dia noroahin' Andriamanitra hiala amin' ilay saha izy ireo.
Tsy toy ny hazon' aina ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa tsy hita na aiza na aiza ao amin' ny Baiboly hebreo na any amin' ny kolontsaina semitika fahiny. Na izany aza, ny andian-teny hoe "fahalalana ny tsara sy ny ratsy" dia hita any amin' ny toerana hafa ao amin' ny Baiboly (oh: Deoterônômia 1:39 sy 2 Samoela 14:17–20).