Cryptocarya agathophylla

Ny Cryptocarya agathophylla dia karazan-javamaniry mamony sy roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Lauraceae. Anarana ahafantarana azy koa ny hoe Ravensara aromatica na Ravensara anisata. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe avozo, havozo, havozomangidy, havozomanitra, hazomanga, hazomangalahy, hazomanitra, laposinty, ravintsara, tavolomanitra ary voaravintsara .
Eto Madagasikara dia ampiasaina amin' ny fitsaboana, amin' ny sakafo, amin' ny fombafomba ary amin' ny varotra ity hazo lehibe ity. Ampiasaina mba hitsaboana aretina (vay, kibo manotika, ratra, ary sery) n hodiny sy ny raviny manitra, fa ampiasaina ho fanatsaran-tsakafo ny voany, ary manome fofona manitra ny hazony. Misy fanovany roa izy io, dia ny havozomamy, izay mamy sady azo ampiasaina amin' ny fitsaboana, ary ny havozomangidy, izay mangidy sady mifandray amin' ny fombafomba sy fifanakalozana ara-barotra.
Noho ny fitovian' anarana amin' ny teny malagasy, ity karazana Ravensara ity dia afangaro matetika amin' ny karazana Laureaceae hafa maniry eto amin' ny Nosy izay antsoina matetika hoe "ravintsara", ilay hazo tao hoe Camphora officinarum (na Cinnamomum camphora) izany, izay atao hoe "ravintsara" na "ravitsara" sady mamokatra menaka manitra ihany koa.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Hazo maro rantsana ny Cryptocarya agathophylla izay misy hodiny mena, maniry any anaty ala trôpikaly mando. Mirefy 18 ka hatramin' ny 20 m ny haavony.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Mifandimby, tsy misy volo, henjana, salavalava, maitso sy manjelanjelatra ny ravin' ny Cryptocarya agathophylla izay manana lafy ambony malama.
Vony
[hanova | hanova ny fango]Manana halava 2 hatramin' ny 3,5 mm sy savaivo 2 hatramin' ny 2,5 mm ny vonin' ny Cryptocarya agathophylla izay maitso sy miendrika lakolosy. Mamelana ioo zavaminry io amin' ny Novambra ka hatramin' ny Janoary.
Voa
[hanova | hanova ny fango]Somary boribory, manana savaivo 2,5 sm na mihoatra, ary somary malama sady manana fofona tena manitra ny voan' ny Cryptocarya agathophylla.
Anarana ahafantarana azy
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny anarana ahafantarana io karazana io:
- Agathophyllum aromaticum (Sonn.) Schreb. ex Forsyth f.
- Agathophyllum aromaticum (Sonn.) Willd.
- Agathophyllum ravensara Mirb. ex Steud.
- Cryptocarya agathophylla van der Werff
- Euodia ravensara Gaertn.
- Evodia aromatica (Sonn.) Pers.
- Evodia ravensara Gaertn.
- Laurus aromatica Baill.
- Ravensara anisata Danguy
- Ravensara aromatica Sonn.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fitsaboana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny fitsaboana ny ratra sy ny vay ary ny fivontosana ny hoditry ny Cryptocarya agathophylla. Tsakoina ny raviny vaovao ary apetaka amin' ny ratra satria manana toetra antibiôtika. Ampiasaina hitsabona sery sy ny aretina an-doha ny raviny maina sy nototoina ho vovoka.
Mitovy fampiasana amin' ny an' ny karaotimanitra (Pimpinella anisum) ny hazony izay atao vovoka ka mamoaka fofona manitra sy mahery (misy manetôla). Mahomby amin' ny fitsaboana kibo manotika ny fisotroana ny rano nandomana azy io. Heverina ho afaka manentana ny fahazotoan-komana sy mampisy hery koa ny fisotroana izany.
Fampiasana hafa
[hanova | hanova ny fango]Any amin' ny Tanala dia dorana ka atao ody varatra ny ravina maina avy amin' ny Cryptocarya agathophylla. Ampiasaina ihany koa ny hodiny mba hahamanitra sy hanome tsiro ny toaka. Ampiasaina mba hanamanitra ny nahandro ny voany. Ampiasaina amin' ny fanomezan-tsiro ny zava-pisotro amin' ny famorana ny hodiny izay mangidy be tokoa. Manome menakamanitra tena tsara sy be mpitady ny fanasitiliana ilay hazo.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Cryptocarya
- Ravensara
- Ravintsara (Camphora officinarum na Cinnamomum camphora, Cinnamomum verum na Cinnamomum zeylanicum, Cryptocarya agathophylla na Ravensara aromatica na Ravensara anisata, Cryptocarya litoralis na Ravensara acuminata, Vepris unifoliolata na Teclea punctata)
- Zavamaniry fanao fanafody eto Madagsikara