Aller au contenu

Harpa

Avy amin'i Wikipedia
Harpa sy mpitendry azy

Ny harpa dia zavamaneno misy tadiny, matetika miendrika telolafy sy vita amin' ny hazo, misy tadiny mihenjana sy manana halava samihafa, ka ny fohy indrindra dia manome maripeo avo indrindra, kitihina amin' ny rantsantanana ny tadiny mba hampaneno azy.

Azo amboarina amin' ny fomba samihafa ny harpa. Manana andalan-tadiny sy fandraiketana pedaly maro ny sasany. Fahiny elabe dia natao tamin' ny tsiraky ny ozatry ny biby ny tadin' ny harpa. Ny tsinaim-biby, ny tsiraka zavamaniry, ny rongony norandranina, ny tady landihazo, ny landy, ny nylon ary ny tariby no akora hafa azo anamboarana ny tadiny.

Hita tany Mesôpôtamia (Iràka ankehitriny) sy tany Persia (Iràna ankehitriny) ary tany Ejipta ny sarin' ny harpa, toy izany koa ny tany India sy tany Sina tatỳ aoriana. Tamin' ny Andro Antenatenany dia niely manerana an' i Eorôpa ny harpa. Manerana an' i Amerika dia nahitana harpa, izay zavamaneno nantim-paharazana tany amin' ny faritra sasany tao amin' io faritra io. Nisy koa ny endrika miavaka nipoitra aty Afrika.

Azo tendrena amin' ny fomba samihafa ny harpa, mitsangana na mipetraka, anaty ôrkesitra na amin' ny kônseritra. Manana hevitra an' ohatra ara-pôlitika ny harpa ary matetika ampiasaina amin' ny sary famantarana, anisan' ny mampiasa izany i Irlandy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]