Hankany amin'ny vontoatiny

Hajasoa Vololona Picard

Avy amin'i Wikipedia

I Hajasoa Vololona Picard Ravololo dia vehivavy frantsay-malagasy, mpahay siansa, mpanao pôlitika, mpanoratra,teraka ny 17 Avrily 1956. Hatramin' ny nahazoany zom-pirenena frantsay tamin' ny taona 1982 dia nitana toerana ara-kolontsaina sy ara-pôlitika maro tao La Réunion izy. Navitrika tamin' ny mpikatroka anaty fikambana koa izy. Teo amin' ny faha-28 taonany izy dia lasa filohan' ny fikambanana Axes Océan Indien mpiahy ny maha olona izy ary mpikambana mpanorina ny edisiona Grand Océan, trano fanontana natokana ho an' ny famoahana sy fampiroboroboana ny asan' ny mpanoratra vao misondrotra avy ano La Réunion sy avy amin' ny firenena manodidina. Ny asa soratr' i Hajasoa Vololona Picard dia ahitana andrana sy tantara foronina ary tononkalo.