Hogônoty

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Hôgonoty)
Hazo fijaliana hôgonoty

Ny Hôgonoty dia antokom-pivavahana prôtestanta frantsay nifikitra tamin' ny fombam-pivavahana nohavaozina, na kalvinista. Ny teny, izay mety ho avy amin' ny anaran' ny mpitarika ara-pôlitika soisa, Bezanson Hugues (1491–1532?), dia nampiasaina tamin' ny tapaky ny taonjato faha-16. Ny teny hoe hôgonoty dia nampiasaina matetika mba hilazana ny mpivavaka ao amin' ny Fiangonana Nohavaozina tany Frantsa nanomboka tamin' ny andron' ny Fanavaozana Prôtestanta. Mifanohitra amin' izany kosa, ny Prôtestanta any atsinanana amin' i Frantsa, any Alsace, Moselle, ary any Montbéliard, dia Loterana indrindra.