Gymnanthemum amygdalinum

Ny Gymnanthemum amygdalinum dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Atao hoe Vernonia amygdalina izy io. Karazana hazobotry kely mirefy 2–5 m ny haavony ary maniry any amin' ny faritra trôpikaly aty Afrika. Mahatratra 20 sm ny halavany ny raviny mangidy sy lavalava. Marokoroko ny hodiny. Azo atao anana amin' ny lasopy any amin' ny firenena ao Afrika Ekoatôrialy ny raviny.
Fanoritsoritana
[hanova | hanova ny fango]
Hita any amin' ny ankamaroan' ny firenena any amin' ny faritra trôpikalin' i Afrika ny Gymnanthemum amygdalinum ary ambolena hatao anana any Tôgô, any Benino, any Kamerona, any Gabôna, any Nizerià, ary any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Hazobotry maro sampana sady mahatratra 10 m ny haavony ny Vernonia amygdalina. Tsy mihoatra ny 40 sm ny savaivon' ny vatany ary ny hodiny volondavenona sy malama dia mitriatratriatra, fa ny rantsany tanora kosa dia misy tsibolobolo. Mifandimby sy tsotra ny raviny. Ny voany, izay misy fandranoka sy manana halava 1,5 hatramin' ny 3,5 mm, dia rakotra zavatra toa volom-borona malemy lava.