Hankany amin'ny vontoatiny

Green Mada Land

Avy amin'i Wikipedia

Ny Green Mada Land dia orinasa mandray anjara amin' ny tetikasa mampiady hevitra ao amin' ny nosy Nosy Sakatia, any amin' ny ranomasin' i Nosy Be eto Madagasikara. Tamin’ ny taona 2016 dia nomen’ ny fanjakana malagasy fahafaha-manofa tany maharitra ity orinasa ity aimin' ny velaran-tany mirefy 17 ha hanorenana trano fandraisam-bahiny. Tamin’ ny volana Nôvambra 2019 anefa dia nofoanan' ny didim-panjakana laharana faha-27227/2019-MAHTP ity fanofana ity, noho ny ahiahy momba ny maha ara-dalàna ny fahazoana azy[1].

Na dia eo aza ny fanafoanana, ny siosion-dresaka dia milaza fa mety mbola manan-kery ilay fanofana, ka miteraka fanahiana eo amin' ny mponina ao Nosy Sakatia. Manameloka an' ilay tetikasa izay manohintohina ny fomba fiainany nentim-paharazana sy ny kolontsainy ary ny zavamananaina eo an-toerana izy ireo. Nanao antso avo amin’ ny tompon’ andraikim-panjakana izy ireo mba ho mangarahara momba ny satan’ ny fampanofana sy mba hanaiky ny zon’ izy ireo amin’ ny tany[2].

Loharano sy famarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Save the ICCA of Sakatia in Madagascar against land grabbing", naturaljustice.org
  2. "Call for action. Save the ICCA of Sakatia in Madagascar against land grainbing", naturaljustice.org