Graminôida

Ny graminôida, ao amin' ny bôtanika sy ny ekôlôjia, dia zavamaniry ahitra, tokan-dravin-tsimoka, manana endrika manakaiky ny môdely Poaceae, izany hoe manana rantsana manakaiky indrindra ny an' ny bozaka, ary raviny misy felany tery sy lava matsoraka. Izy ireo dia mifanohitra amin' ny fôrba, izay zavamaniry misy ravina mivelatra, roa ravin-tsimoka, izay tsy manana ireo toetra ireo.
Ny karazan-javamaniry graminôida dia anisan' ny fianakaviana Poaceae (bozaka amin' ny heviny tery), ny Cyperaceae (herana, zozoro, sns) ary ny Juncaceae (Juncus effusus). Ireo fianakaviana ireo dia tsy mifandray akaiky, fa ao amin' ny vondrona samihafa ao amin' ny filaharana Poales. Ny Poaceae no fianakaviana lehibe indrindra misy karazany 12 000 eo ho eo. Azo atovona ao ny Juncaginaceae sy ny Isoetes (hany vondron-karazana ao amin' ny Isoetaceae).

Ho fanampin' ny fitovian' endrik' izy ireo, ny graminôida dia manana fari-pielezana tena midadasika, matetika manjakazaka, any amin' ny toeram-paniriana malalaka toy ny sahalava voajanahary na honahona. Hita any amin' ny ala mikitroka ihany koa anefa izy ireny. Ny harefo sy ny herana dia mazàna tia toerana mando kokoa noho ny bozaka.
Ny graminôida dia miavaka amin' ny zavamaniry ahita tsy graminôida amin' ny alalan' ny velaran-dravina kely kokoa ary avo kokoa ny akora maina ao amin' ny raviny.