Hankany amin'ny vontoatiny

Gossypium

Avy amin'i Wikipedia
Gossypium arboreum

Ny Gossypium dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Malvaceae, zana-pianakaviana Malvoideae, izay ahitana ny landihazo. Misy karazana maniry ho azy efa ho dimampolo ao anatin' io vondrona io. Izy ireo dia zavamaniry ahitra maniry isan-taona na mihoatra ny iray taona na koa kirihitra. Amin' ireo karazana ireo, ny efatra no niandohan' ova karazana ambolena amin' izao fotoana izao ho an' ny famokarana vohavoha landihazo: ny Gossypium arboreum, ny Gossypium barbadense, ny Gossypium herbaceum ary ny Gossypium hirsutum.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Gossypium dia mamondrona zavamaniry izay amin' ny ankapobeny kirihitra, ary mahalana ny hazo madinika. Ny tahony dia matetika misampantsampana, indraindray somary minofon-kazo eo amin' ny fotony, ary rakotra volo. Amin' ny karazana ambolena, ny zavamaniry dia mety hahatratra haavo 1 ka hatramin' ny 3 m, fa ny karazana maniry hoazy kosa dia mampiseho endrika miovaova kokoa.

Gossypium herbaceum

Mifandimby sy misy tangozany ny raviny izay mazàna miendrika felan-tanana (3 ka hatramin' ny 7 ny sofin-dravina) sy miendrika fo eo amin' ny fotony. Mety misy na tsy misy volo ny lafiny ambony na ambany. Misongadina tsara ny kirany, misandrahaka avy amin' ny teboka fipoiran' ny tangozan-dravina.

Gossypium anomalum

Mandeha tokana ny voniny izay mipoitra eo am-pototry ny tangozan-dravina sady lehibe sy mampiavaka ilay vodrona. Entina tangozany sy voahodidin' ny vondrona ravina telo niova anjara asa (brakte) izy ireo. Kely dia kely ny vondron-dravimbony, fa ny vondrom-pelambony kosa dia manana felany dimy tsy mikambana, amin' ny ankapobeny mavo na manopy fotsy, matetika misy marika volomparasy eo amin' ny fotony. Mitambatra ho fantsona ny fototry ny lahimbony marobe izay manodidina ny tahom-bavimbony, toetra fahita ao amin' ny fianakaviana Malvaceae.

Voany
Gossypium barbadense

Kapsiola miendrika atody ny voany, izay misokatra amin' ny fahamasahany. Misy vihim-boa maro be voahodidin' ny volo lava tokan-tsela ny ao anatiny: ireo no tsiraka landihazo, avy amin' ny hoditry ny vihim-boa.

Tsinjara toerana

[hanova | hanova ny fango]

Ireo zavamaniry ireo, izay teratany any amin' ny faritra sobtrôpika sy trôpikaly, dia mamokatra kapsiola misy vihim-boa be volo. Avy any Azia ny Gossypium arboreum sy ny Gossypium herbaceum. Ny Gossypium barbadense dia heverina fa avy any Però, raha toa kosa ny Gossypium hirsutum dia heverina fa avy any Amerika Afovoany. Efa ho 5 000 taona izao no nambolena ireo zavamaniry ireo.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
Gossypium hirsutum

Misy karazana efa ho 50 ao anatin' ny antoko Gossypium.

  • Gossypium anomalum Wawra & Peyr.
  • Gossypium arboreum L.
  • Gossypium areysianum Deflers
  • Gossypium aridum (Rose & Standl.) Skovst.
  • Gossypium australe F.Muell
  • Gossypium barbadense L.
  • Gossypium benadirense Mattei
  • Gossypium bickii (F.M.Bailey) Prokh.
  • Gossypium bricchettii (Ulbr.) Vollesen
  • Gossypium californicum Mauer
  • Gossypium contextum O.F.Cook & J.W.Hubb.
  • Gossypium costulatum Tod.
  • Gossypium cunninghamii Tod.
  • Gossypium darwinii G.Watt
  • Gossypium dicladum O.F.Cook & J.W.Hubb.
  • Gossypium ekmanianum Wittm.
  • Gossypium enthyle Fryxell, Craven & J.M.Stewart
  • Gossypium evertum O.F.Cook & J.W.Hubb.
  • Gossypium exiguum Fryxell, Craven & J.M.Stewart
  • Gossypium gossypioides (Ulbr.) Standl.
  • Gossypium harknessii Brandegee
  • Gossypium herbaceum L.
  • Gossypium hirsutum L. -- hasinkitoke
  • Gossypium hypadenum O.F.Cook & J.W.Hubb.
  • Gossypium incanum (O.Schwartz) Hillc.
  • Gossypium irenaeum Lewton
  • Gossypium klotzschianum Andersson
  • Gossypium lapideum
  • Gossypium laxum L.Ll.Phillips
  • Gossypium lobatum Gentry
  • Gossypium londonderriense Fryxell, Craven & J.M.Stewart
  • Gossypium longicalyx J.B.Hutch. &B.J.S.Lee
  • Gossypium marchantii Fryxell, Craven & J.M.Stewart
  • Gossypium morrilli O.F.Cook & J.W.Hubb.
  • Gossypium mustelinum Miers ex G.Watt
  • Gossypium nelsonii Fryxell
  • Gossypium nobile Fryxell, Craven & J.M.Stewart
  • Gossypium patens O.F.Cook & J.W.Hubb.
  • Gossypium pilosum Fryxell
  • Gossypium populifolium (Benth.) F.Muell. ex Tod.
  • Gossypium pulchellum (C.A.Gardner) Fryxell
  • Gossypium raimondii Ulbr.
  • Gossypium robinsonii F.Muell.
  • Gossypium rotundifolium Fryxell, Craven & J.M.Stewart
  • Gossypium schwendimanii Fryxell & S.D.Koch
  • Gossypium somalense (Gürke) J.B.Hutch., Silow & S.G.Stephens
  • Gossypium stocksii Mast.
  • Gossypium sturtianum J. H. Willis
  • Gossypium sturtianum J.H.Willis
  • Gossypium thespesioides (R.Br. ex Benth.) F.Muell.
  • Gossypium thuberi Todaro
  • Gossypium thurberi Todaro
  • Gossypium timorense Prokh.
  • Gossypium tomentosum Nutt ex Seem
  • Gossypium tomentosum Nutt. ex Seem.
  • Gossypium tormentosum Nuttall
  • Gossypium tridens O.F.Cook & J.W.Hubb.
  • Gossypium trifurcatum Vollesen
  • Gossypium trilobum (Sessé & Moç. ex DC.) Skovst.
  • Gossypium triphyllum (Haw.) Hochr.
  • Gossypium turneri Fryxell
  • Gossypium vollesenii Fryxell

Karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Eto Madagasikara, ny Gossypium (landihazo) dia miseho amin' ny alalan' ny karazana maromaro, izay indrindraindrindra nampidirina ka lasa maniry hoazy na natokana ho an' ny fambolena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]