Gôrila

Ny gôrila na Gorilla dia vondron-karazana rajako lehibe izay anisan' ny fianakaviana Hominidae. Izy ireo no lehibe indrindra amin' ny Hominoidea mbola tsy lany tamingana, ary ny lahy, indrindraindrindra, dia manana tanjaka ara-batana goavana. Ireo biby ireo, izay manana toe-tsaina milamina amin' ny ankapobeny, dia miaina anaty vondrona (na andiany) any amin' ny ala trôpikaly na sobtrôpikaly ao Afrika, izay mihinana zavamaniry ary indraindray bibikely.

Hita amin' ny haambo isan-karazany izy ireo: ny gôrila an-tendrombohitra (Gorilla beringei beringei) dia miaina any amin' ny alan-drahona any amin' ny Tendrombohitra Virunga, manomboka amin' ny 2 200 ka hatramin' ny 4 300 m, raha any amin' ny ala mikitroka sy any amin' ny heniheny any amin' ny faritra iva kosa ny gôrila any amin' ny lemaka andrefana (Gorilla gorilla gorilla).
Na izany aza, ny faritra misy azy ireo voafetra dia mahatonga azy ireo ho biby tena tsy fahita firy. Karazam-biby atahorana ho lany tamingana izy ireo, vokatry ny fandripahana ala sy fihazana azy mba hahazoana ny henany. Ny fitovian' izy ireo amin' ny olombelona, miaraka amin' ny tanjany goavana, dia mahatonga azy ireo ho singa miverimberina ao amin' ny zavakanto sy ny kolontsaim-bahoaka.
Fanasokajiana
[hanova | hanova ny fango]Fanasokajiana ivelany
[hanova | hanova ny fango]
Ny Gorilla dia vondron-karazana ao amin' ny fokom-biby Homininae, ao amin' ny zana-pianakaviana Homininae, ao amin' ny fianakaviana Hominideae, ao amin' ny ao amin' ny klada Catarrhini, ao amin' ny zafim-pilaharana Simiiformes, ao amin' ny zana-pilaharana Haplorrhini, ao amin' ny filaharana Primates.
Fanasokajiana anatiny
[hanova | hanova ny fango]Misy karazany roa ny gôrila, ny iray any Afrika Atsinanana (Gorilla beringei) ary ny iray hafa any Afrika Andrefana (Gorilla gorilla) misy ary zana-karazana efatra:
- Gorilla
- Gorilla gorilla
- Gorilla gorilla gorilla
- Gorilla gorilla diehli
- Gorilla beringei
- Gorilla beringei beringei
- Gorilla beringei graueri
- Gorilla gorilla