Gomora

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
I Sodoma sy i Gomora, nataon'i John Martin, taona 1852.

I Gomora dia tanàna kananita taloha voalaza ao amin'ny Baiboly izay nodoran'Andriamanitra niaraka amin'ny tananan'i Sodoma tamin'ny afo sy ny solifara noho ny fahotana mihoapampana nataon'ireo mponina ao, araka ny voalaza ao amin'ny Bokin'ny Genesisy (Gen. 18.20-21). Araka ny Baiboly, io tanàna io dia niorina tao akaikin'ny Ranomasina maty. Tanàna mifanakaiky i Sodoma sy i Gomora sy i Adma sy i Zoara (na Tsoara) ary i Zeboima (na Tseboima).

Ny anaran'ilay tanàna[hanova | hanova ny fango]

Ny anaran'i Gomora amin'ny teny hebreo dia עֲמוֹרָה / Ġəmôrāh, fa amin'ny teny grika kosa dia Γόμοῤῥα / Gómorrha. Ny mponin'i Gomora dia atao hoe Gomorita na Gomoreana.