Gôlgôta

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Golgota)

I Gôlgôta na Golgota, araka ny Filazantsara, dia ilay havoana nanomboana an'i Jesoa amin'ny hazo fijaliana, izay teo ivelan'ny tanànan'i Jerosalema.

Ilay anarana[hanova | hanova ny fango]

Avy amin'ny teny grika hoe Γολγοθα / Golgotha, izay avy amin'ny anarana arameana hoe gulgalt na gulgūltá na gulgota, izay midika hoe "karandoha" io anarana io. Amin'ny teny hebreon'ny Baiboly io anarana io dia ny hoe gulgōlet. Io no nadika amin'ny teny latina hoe Calvaria (ao amin'ny Baiboly amin'ny teny latina atao hoe Volgata) na Calvarium, ka nogasina hoe Kalvary na Kalvera. Antsoina hoe Κρανιου Τοπος / Kraniou Topos koa izy amin'ny teny grika. Nantsoina amin'izany anarany izany io havoana io, angamba noho izy niendrika karandoha, fa tsy noho ny fisian'ny karandohan'olona novonoina teo. Amin'ny teny malagasy dia atao hoe Ikarandoha koa io toerana io.

Toerana nisy azy[hanova | hanova ny fango]

Araka ny lovantsofina dia eo amin'ny misy ny bazilikan'ny Fasana Masina (taonjato faha-4) no nisy an'i Gôlgôta, ao afovoan'ny tanànan'i Jerosalema ankehitriny. Tamin'ny andron'i Jesoa dia tany ivelan'ny tanàna no nisy io havoana io, tsy lavitra ny iray amin'ireo vavahadin'i Jerosalema, ka mora tamin'ny mponina ny nanatrika ny famonoana ny olona melohina hofaty.